Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Governemanta Ntsay Hotombanana ny asany amin’ity volana ity

04/12/2019

Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny 25 novambra lasa teo dia amin’ity volana desambra ity no hanombanana ny asan’ny minisitra ao amin’ny departemanta nanendrena azy ny filoham-pirenena.

 

 

 

 Hoesorina izay tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny asa nampandraiketany azy.  Minisitera roa izao no tantanin’ny tomponandraikitra mpisolo toerana : minisiteran’ny angovo sy rano ary akoranafo sy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Andrasana izay ho mason-tsivana entina hitsarana ny asan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta raha teknika na koa politika. Raha ny lafiny teknika aloha dia maro ireo minisitra no miala amin`ny toerana satria tsy nisy minisitera nahavita nametraka ilay hafainganam-pandehan`i lamasinina. Hatramin`izao, mbola misy ireo minisitera mbola mizatra raharaha. Etsy an-kilany, raha politika indray ny mason-tsivana dia azo antoka aloha fa misy amin`izy ireo no tsy ho hita tabilao amin`ny taona 2020. Anisan'ny fototry ny olana tsy mampirindra ny asan'ny fanjakana mantsy io tsy miray saina tsara ny ao anaty governemanta. Farafahakeliny efa mivaky telo io governemanta io. Misy minisitra tena ekipan`ny filoha Rajoelina, misy an'ny antoko MMM. Eo koa ny ekipan'ny praiminisitra Ntsay. Lasa ohatry ny mbola fiaraha-mitantan'ny ankolafy 3 sa 4 tamin'ny tetezamita. Tsy azo ihodivirana ato ho ato ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana