Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antsirabe Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

03/12/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahery vaika indray tao Andranonahoatra-Antsirabe ny alahady 01 desambra 2019 lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro nahery kely.

 

 

 

Raha ny tatitra nentin’ireo nanatri-maso ny loza dia itony moto scooter itony no nifandona tamin’ny fiara mini-bus Mazda, izay voalaza fa samy nandeha mafy. Fantatra moa fa hianatsimo ilay fiara raha toa ka hianavaratra ilay moto izay nanao taingin-telo, izay mpianaka avokoa izy 3 lahy nitaingina azy. Nifanatrika ny fifandonana ka goavana ny fahavoazana satria vokatry ny dona mafy nahazo ireo olon-dehibe roa dia tsy tana ny ain’izy roa rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Ilay zazalahy kely iray kosa dia fahatapahana teo amin’ny tongony no nahazo azy. Tsy nisy naninona kosa ireo tao anatin’ilay fiara mazda fa ny fiara no nisy fahavoazana goavana vokatry ny dona nahazo azy. Nentim-pahatairana ny vadin’ilay rangahy mpamily fiara ka torana tsy nahatsiaro tena ka mbola arahi-maso eny amin’ny Hopitaly atsimo tamin’ny fotoana nanoratana ity vaovao ity. Anisan’ny fitaovana iray hitrangana lozam-pifamoivoizana matetika tao ato ny moto scooter ka ilàna fitandremana tanteraka ny fifanenana amin’izy ireo.

Caius R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana