Sosialy
Ankatoky ny fety Manome tolotra zakan’ny rehetra ny Baolai
02/12/2019
Rehefa ankatoky ny fetin'ny faran'ny taona toy izao dia ny milina mandeha amin'ny herinaratra no mahasarika ny besinimaro.
Mifanojo amin'izany indrindra dia anisan'ireo manavao ny tolotra omen'ny tranombarotra « Baolai ». « Ho fanomezana fahafahampo ny daholobe nanomboka ny 15 novambra lasa teo ka hatramin'ny 31 desambra 2019 ho avy izao, dia misy fihenam-bidy goavambe amin'ireo Smart tv sy télé led 19" hatramin'ny 75" ato aminay, izany rehetra izany dia miaraka amin'ny antoka 1 taona hatrany. », hoy ny tompon'andraikitra. Ankoatra izay dia vao nahatonga entana maro izy ireo izay ho hita ao Bazar be Toamasina, Analakely sy Soarano. Ao ny machine à laver, subwoofer, réfrigérateur, amplificateur, synthétiseur, four micro-onde … Dia hitorajofo tokoa ny rehetra amin'ity volana desambra 2019 ity, miaraka amin'ity tranombarotra lehibe iray ity. Ny fitsinjovana ny rehetra mba hanana zavatra tsara kalitao kanefa taka-bidy no tanjona.
Nangonin’i RTT