Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fenoarivo Atsimondrano Nirongatra ny lozan’ny Sprinter

02/12/2019

Ora roa mahery ny elanelany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana roa samy hafa tamin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly tolakandro.

 

 

 

 Fiara marika sprinter roa izay samy avy any Fenoarivo no tra-

doza teo amin’ny digue Ambodiafontsy sy Alakamisy. Vokatry ny fandehanana mafy izay nisongona fiara tsy mataho-dalana no nahatonga ny loza. Araka ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandary ao Fenoarivo, tsy misy ahiana ny ain’ireo mpivady izay tra-doza tamin’ny 1 ora mahery. Tratran’ny fiolahana tampoka amin’ny fandrin-dalana hafahafa ilay mpamily, nikorapaka, nivily ny an-kavia, nananika ny andrin-tany ary nivadibadika ilay fiara, efa saika tany anaty rano. Tamin’ny 4 ora tolakandro, môtô scooter nirifatra tamin’ny fiolahana no saika nitsoriaka tany ambanin’ny spinter iray koa teo amin’ilay fiolahana fitrangan’ny loza, Alakamisy Fenoarivo. Niezaka niala ilay mpamily fiara ka latsaka tany amin’ny sisin-dalana, ka niankina ny andrin-tany. Vaky vokatr’izany ny fitaratra ka naratra ny mpandeha iray. Ilay mpanamory scooter efa nisangy

fahafatesana noho ny fandehanana mafy kosa nidofotra tamin’ny faritra taorian’ilay fiara ka naratra ny lohany. Efa maro ny kodiaran-droa tsy tafavily tamin’io fiolahan’Alakamisy Fenoarivo io.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana