Dans la męme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Misy olana eny Mandroseza Ahiana hisotro rano maloto Antananarivo

02/12/2019

Nihotsaka babangoana manatona ny fiangonana sy ny sekoly katolika ao Mandroseza ilay toerana heverina fa hanary rano maloton’ny JIRAMA nivarina any Ikopa.

 

 

 

 Ahiana vokatr’izany ny firodanan’ireo fotodrafitrasan’ny EKAR eo Mandroseza amin’ny fijojoan’ny rotsak’orana tahaka ny rivodoza. Etsy an-daniny, hivarina tsy ho ela ao amin’ny reniranon’i Mandroseza izay siniben’Antananarivo ihany koa ny rano maloto. Tsy azo lavina fa efa mihinana rano sy maloto izay avy amin’ireo ala manodidina ny renivohitra. Raha avy eo amin’ireo lalan’i Mandroseza no midina mihazo ireo kirihitra maniry dia afaka manaporofo fa entin’ny ranon’orana mikoriana any anaty farihin’i Mandroseza ireo maloton’ny mpivalandrano sy diky. Tsy fanajana ny fananana iombonana izany fa tsy miankina amin’ny JIRAMA. Maro amin’ireo trano manamorona ity rano fisotron’Antananarivo ity koa no tsy manara-penitra ny fanariana rano maloto sy lava-piringa. Tsiahivina moa fa efa nambolena ahitra io tany mihotsaka ankehitriny amin’ny faritra fanariana rano maloton’ny jirama tamin’ny taon-dasa fa saingy herimpo very maina ihany izany fa nokaohin’ny riaka hatramin’ny nofontany sy ireo bozaka aman’ahitra teo amboniny.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana