Dans la mme rubrique

Vondrona Eoropeanina “Efa maro ireo vola natontona ho an’i Madagasikara”

06/12/2019

Nisy ny tatitra nataon’ny Vondrona Eoropeanina (UE) tamin’ny mpanao gazety natao tetsy amin’ny foibeny Tour Zital Ankorondano omaly.

Vondrona Eoropeanina “Efa maro ireo vola natontona ho an’i Madagasikara”

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara sy Frantsa Famatsiam-bola miisa 4 no natao sonia

06/12/2019

Nanome fanampiana ho fampandrosoana an’Antananarivo sy ny manodidina ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD).

Madagasikara sy Frantsa Famatsiam-bola miisa 4 no natao sonia

Hamaky ny tohiny...

Ofisim-pirenen’ny fizahantany Mankalaza ny faha-15 taonany

25/11/2019

15 taona ny nisian’ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM).

Ofisim-pirenen’ny fizahantany Mankalaza ny faha-15 taonany

Hamaky ny tohiny...

Fitsirihana ny orinasa QMM Manazava ny antony ny fanjakana

22/11/2019

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny farany teo no nangatahan’ny fanjakana Malagasy hanaovana tsirika manokana ny kaonty sy ny fampiasam-bola ary ny fitantanana eo anivon’ny orinasa mitrandraka fasimainty Quit Madagascar Minerals (QMM).

Fitsirihana ny orinasa QMM Manazava ny antony ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny firenena Tokony hianatra ny mpanao politika

22/11/2019

Maro be ny Antoko Politika mitsangana eto Madagasikara. Mainka anefa mampahantra ny firenena ny fahabetsahan’ireny ary tsy miteraka fampandrosoana.

Fampandrosoana ny firenena Tokony hianatra ny mpanao politika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Suisse Hiitatra amin’ny fandraharahana sy fizahantany ny fiaraha-miasa

21/11/2019

Nametraka ny taratasy fanendrena azy hiasa eto amiistika i Chasper Sarott, ambasadaoron’ny Kaonfederasiona Soisa ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay noraisin`ny filoha Rajoelina teny amin`ny lapan`Iavoloha omaly.

Madagasikara-Suisse Hiitatra amin’ny fandraharahana sy fizahantany ny fiaraha-miasa

Hamaky ny tohiny...

Tontolo iainana Manohana an’i Madagasikara i Sina

20/11/2019

Mitentina 50 tapitrisa ariary ireo fitaovana nomen’ny governemanta sinoa entina hanohanana ny governemanta Malagasy ny amin’ny

Tontolo iainana Manohana an’i Madagasikara i Sina

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Tetibolam-panjakana 2019 Raima sy valo ny fandaniana azy teny Tsimbazaza

02/12/2019

Nolanian’ireo solombavambahoaka rehetra teny Tsimbazaza tamin’ny fomba tsotra sy maika ny sabotsy hariva teo ny Volavolan-dalàna

 

 

laharana faha-005/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2020. Nialohavana fampahafantarana ankapobeny nataon’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny fampandaniana. Navoitra ny maha zava-dehibe ireo fototra iorenan’ny Drafitry ny Fisandratan’i Madagasikara, dia ny lafiny ara-tsosialy, ny fitantanana ary ny toekarena. Ny 39.57%-n’ny tetibolam-panjakana dia natokana ho an’ny lafiny ara-tsosialy, 30,3% ho an’ny seha-pamokarana, ary ny 21,07% eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa. Tsy tena hita taratra be ireo tetikasa goavana, toy ny Tanà-masoandro,… Vinavinaina ho 5,5% ny fitombon’ny harin-karena, ary 6,2% ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’ny taona 2020. Io taha-pisondrotan’ny vidim-piainana io dia heverina fa hihena miandalana hatramin’ny taona 2023, ary ny fampiasam-bola kosa na ho an’ny fanjakana na ny tsy miankina dia hatevenina mba hanosehana ny fandrosoana. Ny fanatsarana ny taham-pampidiran-ketra, izay vinavinaina ho 11,5%, no anisan’ny fomba hoentina manatratra ny tanjona kendrena. Ny lanjam-bidy amin’ny fadin-tseranana mahakasika ny bolabolan-tsavony, ohatra, dia notanana ho 10% toy ny taloha, raha toa ka 20% ny tahan’ny haban-tseranana noheverina noraketina tao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2020 ity.  Tsiahivina fa 7,0% ny tahan’ny fiakaran’ny toekarena hatramin’ny 2023, kanefa efa 7,31% izany talohan’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Taorian’ny Antenimieram-pirenena nandany maimaika, dia hodinihin’ny antenimierandoholona indray ity volavolan-dalàna ity, izay ahiana ny mety tsy hahalany azy etsy Anosikely. Tratry ny fahirano ny antenimierandoholona, raha ny fahitana azy. Raha maherin’ny 50miliara ny tetibola hampihodinana io andrim-panjakana io teo aloha, dia manodidina ny 5 miliara ariary sisa, raha ny voafaritr’ilay tolo-dalàna. Hihamafy ny adin’ny samy andrim-panjakana, ary hizotra amin’ny didy hitsivolana (ordonnance) amin’ny fampananan-kery azy io ny Filoha, raha izao no mitohy.

 

Toky R




 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana