Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandidan’ny IRK Mitady hanao bodongerona any amin’ny sisiny

02/12/2019

Re ankehitriny fa mitady hanao bodongerona sy tery vaimanta ireo kandida IRK na dia efa resy mazava be izao ary.

 

 

 

Ohatra amin’izany ny ao amin’ny kaominina Betafo Antsirabe sy ny etsy alakamisy Fenoarivo, izay samy miara-dia amin’ny antoko Tia Tanindrazana. Mitory ireo kandidam-panjakana na dia resy mazava be ary tamin’ny vokatra feno izay nangonin’ireo solontenan’ny kandida aza. Manodidina ny 20% ny elanelam-bato fa tsy mba hoe 5% na 10% akory. Heno ihany koa fa maro ireo any amin’ny faritra no mahazo tsindry hazo lena tahaka izao, ka mety hitroatra satria maro loatra ny tsy rariny. Dia tsy mba manana “fair play” mihitsy ve fa hampihatra hatrany ny fahefam-panjakana sy hanao bodongerona na dia resy mazava ary ? Antenaina fa hitsinjo lavitra ka hampilamina ny tokantranony ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny IRK, ka tsy hinia handany olona tsy lany. Mety hiteraka kirizy eto amin’ny firenena indray mantsy ny zavatra tahaka izao satria tsy ny TIM na ingahy Ravalomanana irery intsony no adversera fa olona maro miampy ny vahoaka ao an-damosiny. Ny taham-pandraisana anjara ambany dia ambany, izany hoe tsy marin-toerana intsony fahefam-panjakana, ka vao mainka miantso loza ho azy raha mbola hanaotao foana handrehitra afo eo. Raha tsiahivina ny kandida lany tao Betafo, Atoa Randriatahinamalala Livasoa dia efa lany ihany koa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka  tany amin’ny distrikan’i Betafo fa nosomparan’ny sasany tamin’ny fotoana farany ka natao tamin’izany ny fanafoanana ny latsa-bato tamina biraom-pifidianana maro nandreseny. Efa nanatona ny SRMV ity kandida miara-dia amin’ny antoko Tia Tanindrazana ao  Betafo ity nangataka ireo voka-pifidianana kanefa dia nolavin'ireo izany fangatahana izany. Ny CENI foibe anefa dia milaza mazava fa zon'ny kandida ny mahazo izany, koa vao mainka manamafy ny ahiahy amin'ny mety ho fikotrehana fanodinkodinana safidim-bahoaka izany tranga izany.

 

 

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana