Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fahalainan’ny mpifidy Manome vahana ny politika maloto

02/12/2019

Raha oharina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo dia ambany dia ambany ny taham-pandraisana anjara tamin’ny fifidianana kaominaly raha manodidina ny 25% izy hatreto, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika,

 

 

 

 Otrikafo, sady kandida ho mpanolotsaina eto Antananarivo, Elia Rabevahiny.  Ny antony voalohany, dia manamafy ny tsy fahatokisany ny mpanao politika intsony ny malagasy. Faharoa, na iza na iza lany eo dia tsy miandrandra ny olom-boafidy intsony ny malagasy. Izay roa izay no antony, heveriko ho mavesa-danja indrindra, hoy izy. Antony fahatelo koa anefa dia niaraha-nahita ny fahasarotan’ny fanatontosana ilay fifidianana, hoy hatrany ny fanazavany. Sarotra ny fiatrehana azy satria tsy voataiza tao anatin’ilay fiatrehana fifidianana roa samihafa ny malagasy. Manampy trotraka ny tsy fitovian’ilay laharan’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Noho izany dia lasa hita fa tsy mivaky loha amin’ny raharaham-pireneny ny vahoaka malagasy. Raha izay no mitohy dia hanome vahana ny politika maloton’ny olom-bitsy isika satria hanao izay tiany atao izay rehetra lany eo. Mila maka lesona ny mpanao politika sy ny vahoaka satria samy tompon’andraikitra amin’ny tsy fetezan-javatra misy eto amin’ny firenena. mila sarotiny amin’ny raharaham-pirenentsika isika raha te handroso. Entanina amin’ny fandraisana an-tanana ny raharaham-pireneny ny Malagasy ary tokony hanao maodely ny mpanao politika satria matoa kamo hifidy ny vahoaka dia efa be ireo olom-boavidy tsy nahatanteraka ny teny nomeny, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana