Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Delegasionina hiady ny “Iles Eparses” “Olona mahavita no ilaina hiady hevitra”

15/11/2019

Ny lapan`Andafiavaratra no handray ny fifampidinihana ho amin`ny alatsianiny 18 novambra izao miaraka amin’ny solontenan’ny fitondrana frantsay ny mikasika ireo Nosy Malagasy (Iles éparses) aty

 

 

 

amin’ny ranomasimbe Indiana. Iany fa 40 taona  aty aorian`ilay fanapahan-kevitra no raisin`ny firenena mikambana tamin`ny taona 1979 momba ny tsy maintsy hamerenan`ny frantsay ireo nosy Malagasy. Ny fanapahan-kevitra noraisin`ny firenena mikambana no zava-dehibe indrindra mialoha ny fifampidinihana noho ny maha antsika Malagasy ny Iles Eprases, hoy ny mpahay tantara, Jeneraly Desirè Ramakavelo. 30 taona taorian`io fanapahan-kevitra io vao namoaka lalàna ny frantsay fa azy ireo ny “Iles Eparses”. Tsotra ny paiakady, averina hatrany ny fanapahan-kevitra satria tsy mitombina ny lalàna navoakan`ny frantsay ny taona 2007. Nohamafisiny kosa fa olona mahavita hiatrika ireo solontena frantsay no ilaina hiady hevitrra mandritra ny fotoana. Solontenan`ny vahoaka miisa 27 tapitrisa izy ireo. Famerenana ny fiandrianam-pirenena sy famohazana ny fitiavan-tanindrazana ho an`ny vahoaka Malagasy ny fitakiana ireo nosy manodidina, izay an`i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana.

Ireo Delegasiona

Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Christian Ntsay no mitarika ny delegasiona Malagasy hiafampiraharaha amin’ny Frantsay momba ny “Iles Eparses”, izay ahitana an’ny Profesora Raymond Ranjeva, mpahay lalàna sady filohan’ny Akademia Malagasy, izay efa nitana andraikitra maro na teto amin’ny firenena na tany ivelany ; ny Vice-Amiral Louis Antoine de Pädoue Ranaivoseheno, Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ; ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) ; Dokotera Tehindrazanarivelo Djacoba Liva, mpampianatra lalàna iraisam-pirenena, ny lalàna afrikanina any amin’ny oniversite any Soisa, izay efa nandray anjara tamin’ny famahana ireo olana maro taty Afrika.

 

  Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana