Any Ivelany
Andro ratsy sy kotro-baratra Nirehitra ny Cercle Mess Iavoloha
15/11/2019
Nirehitra ny trano fivorian’ny miaramila (Cercle Mess), tsy lavitry ny Lapam-panjakana eny Iavoloha omaly hariva.
Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra dia nisy ny fipoahana nateraky ny herinaratra (court-circuit) raha ny fanazavana nataon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Io no niteraka firehetana, izay tena goavana raha ny fahitan’ny olona azy avy lavitra satria tena nidedaka ny afo ary nanetroka be ity toerana ity. Henjana ny fahavoazana raha dinihina amin’izay. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina na dia somary tara aza, ka nifanampy namono ny afo izy ireo sy ny miaramila. Lapam-panjakana izany tokony hisy fiarovana sy famonjena voina manokana, kanefa toa mpamonjy voina avy eny Tsaralalana no tsy maintsy nankeny. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny Lapam-panjakana sy ny faritr’ala manodidina ity toe-javatra niseho ity, araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidian’ny Repoblika. Tsiahivina fa ny volana oktobra 2014, dia efa nisy tranga mitovitovy tamin’izao teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra nirehetan’ny biraon’ireo mpanamboatra lapa hazo somary ambanin’ny Banky Foibe.
Toky R