Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandida ben'ny tanàna ao Brickaville Efa foana ny fanamelohana ahy, hoy i José Clément Randrianasolo

14/11/2019

Tsy marina ny filazana fa meloka ny tenako satria efa foana tsy manan-kery intsony ny didy N° CATO -165-CO/18 ny 07 martsa 2018 satria efa misy didim-pitsarana manafoana azy io dia ny laharana faha CATO-835-CO/18, nivoaka tamin’ny 18 jolay 2018,

 

 

 

 hoy ny kandida José Clément Randrianasolo ao Brickaville. Ny olona mirotsaka hofidiana rehetra rahateo dia tsy maintsy maka Bulletin n° 03 any amin’ny TPI Toamasina ka raha meloka aho dia tsy nahazo io casier judiciaire io, hoy izy. Raha tsiahivina dia nanaovako fanohanana io didy io tamin’ny 15 martsa 2018 ka nofoanan’ny Fitsarana Ambaratonga ambony ao Toamasina ihany tamin’ny 18 jolay 2018 araka ny didy laharana « CATO – 835- CO/18» voalaza etsy ambony, hoy ny fanazavana. Mikasika ny raharaha mametraka olana amiko sy Andriamatoa HUO  CHAOU  YANN  soloin’Andriamatoa KIN tena dia ambarako mazava fa tsy manana tany na dia 01 cm2 ao MANAMBATO, CR VOHITRANIVONA io olona io fa nanofa ny tanin’ny CR VOHITRANIVONA izy izay mitondra ny TN 2293-BC Rasoabe MANAMBATO araka ny contrat de bail tamin’ny 12 janoary 1998. Nofoanan’ny filankevitra VOHITRANIVONA anefa io Bail io tamin’ny 27 mey 2011 araka ny fanapahan-kevitra laharana faha 09/2011 satria tsy voaloa ny hofan’ny tany sady tsy misy fanapahan-kevitra avy tamin’ny Filankevitra. Tsy faly noho izany izy ka nitory tamin’ny TPI Toamasina nefa resy, tsy afa-po izy dia nampiakatra tamin’ny Cours d’appel. Tsy mbola afa-po ihany izy tamin’ny fivoahan’ny didy CATO-835-CO/18 io ka nangataka fanafoanana io fanapahan-kevitra io tamin’ny TAF  Toamasina nefa mbola resy ihany araka ny Jugement « JGT N° -49 » du 19 Juin 2019, hoy i José Clément Randrianasolo. Marihina fa nitory azy eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana