Tranga
Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana
12/11/2019
Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.
Nambaran’izy ireo, fa ilay lalana eo amin’ny fiolanana, La Rotonde no mbola olana, ka tsy nahafahana nampiasa ity lalana ity. Tao anatin’ny tapa-bolana, dia nisy ireo fiara sy taksibe no efa nivezivezy tamin’io lalana io, fa nisy ampahany tsy vita, ka niteraka fitohanan’ny fiara. Voalaza, fa nisy kamiao siterna latsaka tao anatin’ilay lakandrano tsy vita, teo amin’ny fiolanana. Vao mainka niteraka fitohanan’ny fiara lavareny izany, ka nandraisan’ireo mpiasa sy ny mpanamboatra lalana fepetra, ka izao notapahin’izy ireo izao. Nanomboka tamin’io andro io, no tsy azo ivezivezena ny lalana. Tsiahivana fa tokony ho efa vita tanteraka ny volana oktobra teo io lalana io, saingy, noho ny pitsopitsony mbola nojerena no tsy nahavitana izany, hoy ny fanazavana. Efa eo am-panamboarana ireo teknisianina sy ireo mpanamboatra lalana eny an-toerana. Tanjona, ho vita alohan’ny fahavaratra io lalana etsy Besarety io, hoy ireo mpiasa nanaovana ny fanadihadiana.
Sitraka r.