Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Dede Ankadimanga “Hatao Mangarahara ny fitantanana »

12/11/2019

Anisan`ireo kandidà ben`ny tanàna tohanan`ny antoko Tia Tanindrazana Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, mitondra ny lah. faha-06 ao amin`ny kaominina Ankadimanga.

 

 

 Resy lahatra izy fa ny fanabeazana, ny fitsinjaram-pahefana ary ny nomerika no vahaolana maharitra amin`ny fampandrosoana, izay fotokevitra hijoroan`ny antoko Tia Tanindrazana. Voalohany, hanamafy ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina. Hitaiza ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina mba haha olo-mendrika azy ireo. Hitaiza ny fiarahamonina amin’ny lafiny rehetra, hijery sy hanatsara ny toerana filalaovan’ny tanora mba hamerenan-danja ny soatoavina sy kolontsaina. Hanamafy ny fiarahamonina mirindra sy ny filaminana anatiny. Hampianatra ny fanajana ny fananana iombonana toy ny tranom-panjakana, ny fefiloha, ny làlana … Hanampy tosika ireo tanora amin’ny famoronana asa ihany koa. Faharoa, hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hampangarahara ny fitantanana eo anivon`ny kaominina. Hanao izay hahaleotena ny kaominina sy fitadiavana lalam-barotra (fambolena, fiompiana ary ny  asa tanana). Hanamafy ny fitsipika ifampifehezana hialana amin’ny gaboraraka. Farany, miompana amin`ny nomerika ihany koa ny vinan`i Dede Ankadimanga. Horaketina ao anaty solosaina avokoa ny asa mba hamitana ny asa haingana sy voarindra. Hanampy indrindra amin`ny fitantanana mangarahara ka  hampitaina ara-potoana ny vaovao tsara ho fantatra ( aterineto…) Kandidà ho ben’ny tanàna tsy miankina eo amin’ny kaominina Ankadimanga Rakotondrafara Jean De Dieu na “Dede”, kandidà lah-06. Sedra maro, fitsapana mamaivay no noraisina nanomboka ny 05 oktobra 2015 izay fotoana nidirana teo amin’ny fitantanana ny kaominina. Efa fantatra ihany ny zavatra niandry satria izy dia efa niomana ho ben’ny tanàna ary efa Ben’ny tanàna lefitra sy filohan’ny mpamboly.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana