Dans la mme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalàna no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

 

 

Ny 5 novambra teo no tafapetraka ny fitoriany. Efa nohelohin’ny fitsarana Ambony didy raikitra ady sivily laharana CATO-165-CO/18 ny 07 martsa 2018 izy io, ka tsy mahazo manao asa sy andraikitra ara-panjakana mandritra ny roa taona sy mandoa onitra sivily 10 tapitrisa ariary ihany koa.  Resaka adin-tany tafiditry ny resaka fisandohana no nanenjehana azy. Mahagaga fa mbola nekena ny filatsahan-kofidian’io kandidan’ny IRD io kanefa tsy mbola tapitra ny saziny roa taona. Fanitsakitsahana lalàna sy fitanilana, izay efa midika ho tsy fitovian’ny herijika ho an’ny kandida io raha olona efa voaheloka tamin’ny didy raikitra izao no mbola afaka mirotsaka ho kandida. Miantso fandraisana andraikitra am-pahendrena avy amin’ny fitsarana mahefa noho izany ny kandida laharana faha-2 Randriatovoniaina Aristide, dieny tsy lasa lavitra ny raharaha. Mety hiteraka korontana ao Brickaville io satria efa endrika fanomezana vahana ny kandida atolotry ny mpitondra, ary mbola mampanahy ny lalao maloto, toy ny hala-bato. Mahatoky ny fahendren’ny vahoaka ka hahay hisafidy ny olo-marina sy madio kosa ny kandida laharana faha-2 Randriatovoniaina Aristide, izay naneho fa tsy hamitaka ny vahoaka any an-toerana.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana