Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

 

 

 

 

 Nanitsy ny vaovao

diso ny tompon’andraikitry ny Vondrotobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Sofia : “Efa

tafiditra tao am-ponja vao navoakan’ireo mpamaly faty miisa 20 ilay nahavanon-doza nahafaty ny

naman’ireto 20 lahy izay samy nitondra antsy iray avy ireto. Andro famangiana koa tamin’io ka

nohararaotin’ireo andian-jiolahy ireo ny fibosesehana tao amin’ny fonja. Efa tsy nisy gadra vy intsony

ilay niakatra fampanoavana ka naterin’ny mpitandro filaminana hifonja vonjimaika tao Antsohihy no

nitranga ny fisintonana sy ny fitetehana azy ivelan’ny fonja”.

Vono olona in-telo miantaona

Nifanditra ny lehilahy roa ny 2 novambra teo tany Ankarakara, Tsiamalao, Befandriana avaratra.

Voan’ny totohondry sy naratra ny iray ka naiditra hopitaly, saingy maty ny ampitso. Niaraka nitady ny

nahavanon-doza izay nitsoaka ny havan’ny lasibatra sy ny Governoram-paritra ary ny mpitandro

filaminana. Tratran’ireto farany ilay nahavanon-doza ary natao famotorana ka natolotra ny fitsarana

ary naterina tao amin’ny fonjan’Antsohihy hiandry ny fitsarana azy, taorian’ny fampanoavana.

Kinanjo nony voaatitra dia io navoakan’ireo tovolahy 20 ireo ary notetehiny ny antsy. Nanenjika ireto

mpamaly faty indray ny mpitandro filaminana sady nandefa baomba nandatsa-drano maso fa namaly

hatrany ireo 20 lahy nitana antsy iray avy ireo. Voatery nitifitra niaro-tena ny mpitandro filaminana

ka iray no maty fa ny iray kosa naratran’ny bala ny nofom-pitombenany izay tsy misy ahiana amin’ny

ainy. Nanitsy ny vaovao niely koa ny governora Lylison René de Rolland fa tsy ny fikambanana

Besaboha ireo tovolahy 20 ireo. Milamindamin-dratsy any Antsohihy amin’izao fotoana.

 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana