Dans la męme rubrique

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

Hamaky ny tohiny...

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

RAZANA NITERAKA OLANA

Hamaky ny tohiny...

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

FILANKEVITRY NY MINISITRA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

Hamaky ny tohiny...

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

MBOLA NIFETY IHANY

13/01/2020

Na dia efa nilaza aza ny fanjakana fa tsy hisy ny fetin'ny fankalazana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, misy amin'ny sampan-draraharaha ao amin'ny fitondrana maro ihany no manao fety.

MBOLA NIFETY IHANY

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

AMNESTY INTERNATIONAL

08/11/2019

Notehafan’ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International ny fidinan-dRajoelina nijery ny fonja.

 

 

Asa raha diso ny vaovao azon’ireo satria amin’ny fijery tsy miangatra dia miendrika fibaikona ny sehatry ny fitsaràna ny zava-nitranga. Nomena baiko avy hatrany ny minisitry ny fitsaràna ny mba hanafaka izay olona metimety tamin’ny filoha ny famoahana azy ary izany dia tsy misy an-kijery dosie. Fitsabahana andraikitra toy izany na koa ny fitsabahan’ny rafitra mpanatanteraka amin’ny rafitra fitsaràna dia loza mitatao ho an’ny firenena demokratika.


MPANEFOEFO AKAIKIN”NY FITONDRANA

Mazava tanteraka ny baolina ankehitriny, mahakasika ireny tsy fisian’ny solika teto amintsika ireny. Ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny nanome alalana ny State Procurement of Madagascar na SPM dia mazava fa bizna lehibe ho an’ny mpanefoefo akaiky ny fitondram-panjakana. Efa navoakan’ny gazety vahiny efa ela ihany ny momba io fanafarana solika ataon’ny fanjakana manokana io saingy izay vao voamarina. Hailika amin’izay izany ny mpandraharahan’ny solika eto amintsika. Ahiana hiteraka zava-doza izany satria raha migafy ireo dia hiverimberina indray ny tsy fisian’ny solika.

FANAFIHANA ENY TSIAFAHY

Mitohy ihany ny fanafihana mitam-piadiana izay mampihorohoro ny tanànan’Ambalavao, etsy Tsiafahy. Omaly indray dia nisy tokantrano izay voatafika tamin’ny basim-borona sy antsy ary lasa tamin’izany ny vola fiandry izay mba nampirimina tao an-trano. Lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny peratra mariazy sy ny kojakojan-tokantrano maro. Mitaraina ny olona ankehitriny satria misesy loatra ny fanafihan-jiolahy ary tsy misy mba misy ny voasambotra nefa misokatra hatrany ny fanadihadiana.

FAHAVOAZANA ARA-BOLA

Ahiana hiteraka fahavoazana ara-bola lehibe ho an’ny firenena ny fanakatonana ny Base Toliara. Ny antony dia handoa lamandy an-tapitrisany dolara isika manoloana an’izany. Misy làlana mifehy ny momba ny orinasa misahana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany toa ireny fa tsy azo atao di-doha toa izay mitranga. Dia aiza indray ny vola hanentsemana an’izany kanefa ny lamandin’ny Air Mad sy ny orinasam-panjakana maro aza tsy hita izay hanaovana azy. Misy fanapahan-kevitra izay tsy nisainana mihitsy indraindray ataon’ity fitondràna ity.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana