Dans la mme rubrique

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hampiharina eto Antananarivo ny tetikasa SARU

21/02/2020

Mandray ny tetikasa « SARU » na « Renforcement de la résilience climatique dans les Systèmes alimentaires en Régions Urbaines à Madagascar » ny kaominina Antananarivo.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo Hampiharina eto Antananarivo ny tetikasa SARU

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Tahisy Nidoboka eny Antanimora i Fanà

21/02/2020

Taorian’ny fiakarana fampanoavana omaly, dia nalefa any am-ponja vonjimaika i Fanantenana na i Fana olon-tian’i Tahisy niaraka

Raharaha Tahisy Nidoboka eny Antanimora i Fanà

Hamaky ny tohiny...

Tranombokim-pirenena Vita ny fanisana sy ny fandraisana an-tsoratra ireo boky rehetra

21/02/2020

Mitohy hatrany ny fanatsaran'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina ny tranombokim-pirenena eto Madagasikara.

Tranombokim-pirenena Vita ny fanisana sy ny fandraisana an-tsoratra ireo boky rehetra

Hamaky ny tohiny...

Tsenam-baro-panjakana Mitohy ny ezaka hampihenana ny kolikoly

21/02/2020

Sambany no hisy eto amintsika ny oniversite manofana mpianatra ho matihanina amin’ny resaka Tsenam-baro-panjakana ( FACDEGMIA). Ao amin’ny oniversiten’i Toamasina

Tsenam-baro-panjakana Mitohy ny ezaka hampihenana ny kolikoly

Hamaky ny tohiny...

Hetsika FEPA andiany faha-12 Hasongadina ny tontolo ambanivohitra

21/02/2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny foiben’ireo Malagasy matihanina amin’ny fambolena sy fiompiana etsy Nanisana na MPE omaly ny fanokafana indray ny hetsika foara FEPA

Hetsika FEPA andiany faha-12 Hasongadina ny tontolo ambanivohitra

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny PMU Nisy nantsoina indray ny sasany omaly

21/02/2020

Anisan’ny vaovao nitana ny sain’ny maro hatramin’ny omaly ireo mpiasan’ny PMU Madagascar miisa 800 voatery naato tampoka

Mpiasan’ny PMU Nisy nantsoina indray ny sasany omaly

Hamaky ny tohiny...

Maître Feno eny Itaosy «Mbola mitsabo sy mamaha olan’ny olona aho »

21/02/2020

Niniana naely tany anaty tambajotran-tserasera rehetra tany ny vaovao tsy marim-pototra nilaza fa efa tsy eto Madagasikara intsony fa lasa nifindra fonenana any ivelany Randimbiarimanana Feno na i Maître Feno

Maître Feno eny Itaosy «Mbola mitsabo sy mamaha olan’ny olona aho »

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Mitohy ny krizy Ho mafy ny fisondrotry ny vidim-piainana…

08/11/2019

Mampanahy ny ho tohin’ny fiainam-pirenena eo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-tsosialy noho ny antony maromaro.

 

Voalohany, nandray fanapahan-kevitra vaovao hamerana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hifehezana ny fahamarinan-toeran’ny Ariary ny Banky Foiben’ i Madagasikara, herinandro vitsy izay saingy nesorina ny governora. Inona no tena antony ? Tsy nahavita ny iraka nampanaovina azy ve sa antony hafa ? Faharoa, ny tatitry ny banky iraisam-pirenena tamin'ny 25 oktobra dia nanambara fa salama kokoa ny toekarena malagasy tamin'ny 2018 noho ny amin'izao 2019 izao, nidina ny vidin'ny lavanila izay anisan’ny mampiditra vola vahiny betsaka indrindra eto Madagasikara. Fahatelo, lasa ihany koa ny saina hoe vola avy aiza marina no nividianana ireo fiara efa ho 300 ho an’ny mpitandro filaminana ? Avy aiza no nanaovana ny tsena mora ? Inona no tena nahamaika hanangana ilay “Fondation Rajoelina” ?  Tsy misy valin-teny mazava sy mangarahara fa vonjy tavanandro ihany no atao matetika nefa tsy mbola mipoitra ny vahaolana mahomby sy maharitra. Mamoaka vola be ny fanjakana Malagasy saingy maivana dia maivana ny miditra.

 

Solika, Jirama, sakafo

Teboka fahefatra ny solika sy jirama. Mbola nofy.ratsy ho an’ny fanjakana kanefa ain-dehiben'ny famokarana sy ny asa rehetra. Fahadimy, roa volana lasa izay, nifanandrify tamin'ny fiomanana fidiran'ny mpianatra sy ny fidirana ho an'ny sekoly sasany no nanomboka niakatra ny vidin'entana toy ny menaka, sira, hena, legioma, saribao, sakafo any amin'ny hotely, indrindra ireo hotely kelikely fihinanan'ny sarambabembahoaka, ny mofo dipaina nifintina. Farany , ny mpandraharaha sasany efa mahita fa mety hisondrotra hatrany amin’ny 5% ny vidim-piainana amin'ny volana desambra. Tena sahirana ny isan-tokantrano ary tsy mahavoky ny makety fotsiny. Ny fitaintainana amin'ny hoe ho lasa ny tany sy ny trano mbola zavatra hafa saingy mampatahotra ny fomba fiasan'ny fitondrana, ny fomba fanapahan-kevitra ary tena mbola eo foana ilay fanilikilihana sy fanjakan'ny akama. Tsy efa izany ve no nanakianana ny mpitondra teo aloha ka nanaovana tolona ho an'ny fanovana ? Toa vao miha miditra anaty fahasahiranana isika. Fanova-maso sy fampanofinofisana no betsaka ary .izao vao tena tanteraka ilay hoe : fery vaovao ho an'i Madagasikara.

 

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana