Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitsinjaram-pahefana “Ilay maha olona no sakana”

08/11/2019

Fitaovana politika sy fitaovana entina manao fampielezan-kevitra ny fitsinjaram-pahefana na dia voafaritra ao anaty lalàmpanorenana satria ny antsika Malagasy dia mifanohitra amin’ny zava-misy any ivelany.

 

 

 

Efa nahaleo-tena ilay vahoaka any ifotony ary niezaka mametraka io fitsinjarana io ka nezahana nampidirina anaty rafitra sisa. Nanamafy izany ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, fa lasa fitaovana politika mihitsy. Efa ela no niresahana an`io tamin`ny taona 1990-1991 kanefa isika izao 2019. Ny fitsinjaram-pahefana no tena tadiavan`ny mpiray tanindrazana amin`izao saingy ilay maha olona no sakana. Ny olombelona dia manana fomba fisainana hoe tazomiko irery ny fahefana ka sarotra, hoy izy. Na dia efa voasoratra ao anaty lalàmpanorenana aza dia tsy vitantsika ny fametrahana izay araka ny tokony ho izy. Ohatra eo amin`ny lafiny ara-bola, dia mila fanampiana ny fahaiza-manao ny fitantanana ny olona eny ifotony. Nohamafisiny fa izany no tokony himatimatesana. Mila fandrindran ilay izy hahafahana mampandroso ny firenena ao anaty filaminana sy fitoviana.  Marihina fa ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana any ivelany dia efa niaina an’ilay fitsinjaram-pahefana toy ny any Alemaina ary ny finoanany dia ny fahaizana mitantana izany tsy ho politika fotsiny ary mampandroso firenena iray. Nisy moa omaly ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny masoivohon’i Alemaina Atoa Michael Derus ny filohan`ny Antenimierandoholona ka nisy ny fifampizarana traikefa teo amin`ny roa tonta.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana