Dans la męme rubrique

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

Hamaky ny tohiny...

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

12/11/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny masoivohon’i India tetsy Tsaralàlana omaly ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany nifanaovan’ny Silamo sy ny Hindou eo amin’ilay tempoly Babri- Ram Janambhoomi.

Ady tanin’ny Silamo sy ny Hindou Niravona ihany 150 taona aty aoriana

Hamaky ny tohiny...

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

11/11/2019

Noroahin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tsy ho mpitsara intsony ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Fanirisoa Ernaivo ny 7 novambra teo.

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

11/11/2019

Nanatontosa fotoam-pivavahana teo amin’ny kianjan’Anelitsara Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo ireo mponin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka mba hangatahana ny tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra hahafahan’izy ireo mijery ny tokony hanohizana ny tolona, raha ny fanazavan’ireo mpitari-tolona.

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faharoa Mahavita kopia 300 isan’andro

05/11/2019

Ny alarobia lasa teo, dia kopia faobe manodidina ny 250 ka hatramin’ny 300 no vita iray andro ho fanamaivanana ireo mponina sy ny ray aman-dreny,

Boriborintany faharoa Mahavita kopia 300 isan’andro

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

08/11/2019

Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,

 

 

 

 mitaona ary mively vary raha te hanana vokatra tsara amin’ny tanimbary. Ny 1 Ha dia manodidina ny 80 ketsa. Milaza moa ny fitondram-panjakana fa tanimbary 1 000 ha no hototofana noho ny tetikasa Tanà-Masondro. Midika izany fa misy asa miisa 80 000.  Manodidina ny 5000 ariary isan’andro  ny karaman’ny mpanetsa iray. Araka izany, raha ny kajy tsotsotra dia manome asa manodidina ny 640 000 ao anaty taona iray iny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina iny. Amin’ny tanimary fotsiny ireo asa voatanisa teo. Tsy hiresaka ny zezika sy ny ny fitaovam-pikokojana madinika izay vitan’ny tompon-tany. Nilaza anefa ny fanjakana fa hamorona asa ho an’ny vahoaka. Aiza ireo olona 80 000 isa ireo ? Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny ankamaroan’ny mponina eto Madagasikara, manakaiky ny 80% amin’ny mponina maherin’ny 25 tapitrisa. Ny tany anefa no fitaovana fototra iaingan’ny asa atao rehetra ary iveloman’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana. Momba ny vokatra miakatra isaky ny tompon-tany dia 5 taonina/ Ha  ny vary miakatra eo Ambohidrapeto sy Ambohitrimanjaka. Fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny famoronana asa. Eo ihany koa ny fahaleovantena ara-tsakafo. Ny tanjona moa dia afaka mivelona finaritra amin’ny asany ny olona, afaka mipetraka amin’ny trano fonenana sahaza, afaka misakafo ara-pahasalamana, afaka mitsabo marary, afaka mampiana-janaka sy manita-pahaizana amam-pahalalana. Adidy aman’andraikitry ny fitondram-panjakana no mametraka politika mifandraika amin’izany, amin’ny fitodihana hatrany amin’ny tombontsoan’ny mponina sy ny fijerena ny laharam-pahamehana sahaza isam-paritra. Tantara mitohy moa ny amin’ny Tanà-Masoandro satria tsy ny fanorenana tanàna vaovao no toherin’ny mponina fa ny toerana hanaovana tetikasa izay manohintohina ny efa fiveloman’ny mponina.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana