Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

07/11/2019

Nahabe resaka teo amin'ny Facebook ny fanazavan'ny maro fa raha namono tena ilay lehilahy hita faty ny 2 novambra teo, tao amin'ny Sisaony Park, Ifarihy,

 

 

 

 Ambatofotsy dia tsy nitondra kapa maivana izy nianika hazo efa ho 10 metatra latsaka. Tao ireo nihevitra fa novonoina io ary nahantona avy eo ka napetraka ny kapany fa tsy afa-nihanika kesika malama nitondra kapa izy.

Nazava anefa ny fampitam-baovao manokan'ny Zandary avy ao Ambatofotsy omaly fa miaramila io hita faty io. Araka ny fizahana ny razana notanterahin'ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ary ny manam-pahefana teny an-toerana, voamarina fa maty namono tena io lehilahy io. Ny andro mialoha io izy no efa tsy hita teo amin'ny ankohonany izay monina aty an-drenivohitra. Mbola nandrasana ny fikarakaran'ny havany ny razana sy ny fandevenana ka ato ho ato vaomonina afaka  hiroso amin'ny fanadihadiana raha ny vaovao nampitain'ny zandarimariam-pirenena avy eo Ambatofotsy hatrany.

Ankoatra ny olana ara-pianakaviana sy fitiavana ary fiainana izay anton'ny famonoan-tena toy zao anefa, voalazan'ny mpitandro filaminana hafa ankoatra an'Ambatofotsy fa olana arak'asa no nampamoifo ity miaramila ity. Ny fanadihadian'ny mpanao famotorana izay andrasana no hamaritra ny zava-nisy marina.

Haha Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana