Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kaominina Alasora “Maro ny asa vita saingy tsy ampy”

06/11/2019

Tamin`ny alalan’ny fotoam-bavaka no nisantaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ny fampielezan-kevitra izay nandrotsaka an`i Jimmy Randriantsoa ho kandidà ben`ny tanàna ao amin`ny kaominina Alasora.

 

 Avy eo dia niroso tamin`ny fanentanana ny kandidà sy ny mpiara-dia aminy hampahafantatra amin`ny vahoaka ireo laharam-pahamehany rehefa tonga eo ka anisany ny rano fisotro madio. Efa mihevitra azy io ho vaindohan-draharaha koa satria aina ny rano ary fototry ny fahombiazan'ny fambolena. Ny 70 %-n’ny mponina eto Alasora dia mpamboly ary mivelona amin'ny asa fambolena ka singa iray amin`ny fanatsarana ireo seha-pihariana ireo ny rano fisotro madio. Noho izany, fampidiran-drano ho an'ny tantsaha mihitsy no asa atao eto. Ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanatsarana ireo lalana eny amin`ny elakela-trano.  Zava-dehibe mifandraika amin`izany ny lafiny fitaterana satria 7 km monja miala amin`ny tanàn-dehibe no misy an`ity kaominina ity kanefa am-polony taona maro no misedra olana. Efa maro ny asa vitany tao saingy tsy maintsy hatsaraina ny tanàna sy ny fari-piainan`ny vahoaka amin`ny alalan`ny fifaninanana eo amin`ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.  Efa maniry sahady ny hisian’ny fiaraha-miasa amin'ireo kaominina manodidina na "inter-coopération des communes" ny tenany. Teknisianina ary injeniera misahana ny resaka fotodrafitrasa rahateo izy, raha ny fanamarinan’ireo akaiky azy.

 

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana