Dans la męme rubrique

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

07/11/2019

Efa nigadona an-tanindrazana ny talata teo ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray.

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

Hamaky ny tohiny...

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

07/11/2019

Fiara iray no lasa lavenona izay nanamorona ny fefin’ny lisea Andohalo izay nirehitra,

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

Hamaky ny tohiny...

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

07/11/2019

Nahabe resaka teo amin'ny Facebook ny fanazavan'ny maro fa raha namono tena ilay lehilahy hita faty ny 2 novambra teo, tao amin'ny Sisaony Park, Ifarihy,

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

Hamaky ny tohiny...


Tranga

ANALAVORY Ganagana iray namoizana aina

05/11/2019

Niakatra fampanoavana omaly ireo telolahy voarohirohy tamin’ny famonoana mpangalatra ganagana iray.

Ny alahady 27 oktobra teo no nitranga ny fifanjevoana, tao Ankonabe, kaominina Analavory. Lehilahy iray  30 taona no voalaza fa naka tsy niera io vorona fiompy io. Efa nandositra ihany ity farany fa notanarahan’ireo mponina teo an-tanàna ka tratran’izy telo lahy. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandariamariam-pirenena, sorena noho io asa ratsy niharo fandosirana io ireo mpanenjika ka sady nitora-bato. Nanoloana ny hery tsy mitovy sy ny be no ho vitsy, nilavo lefona ilay mpangalatra.

Ny miaramila avy ao amin’ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Analavory no nidina tany ifotony sy nandray an-tanana ny raharaha ka voasambotra tamin’izany ireto telolahy nahavanon-doza ireto. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana CSB2 Ankonabe ilay lasibatra ary nanao izay tratry ny heriny ny mpitsabo fa tsy tana ny ainy noho ny daroka sy ny ratra nanjo azy, ny ampitso alatsinainy. Nanipika ny zandary any an-toerana fa fandratrana an-tsitrapo nitarika famoizana aina io tranga io fa tsy fitsaram-bahoaka. Tsy maty teo no ho eo ilay lasibatra ary telolahy fa tsy vahoaka no nanatanteraka ny tora-bato sy ny kapoka. 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana