Dans la mme rubrique

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

07/11/2019

Efa nigadona an-tanindrazana ny talata teo ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray.

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

Hamaky ny tohiny...

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

07/11/2019

Fiara iray no lasa lavenona izay nanamorona ny fefin’ny lisea Andohalo izay nirehitra,

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

Hamaky ny tohiny...

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

07/11/2019

Nahabe resaka teo amin'ny Facebook ny fanazavan'ny maro fa raha namono tena ilay lehilahy hita faty ny 2 novambra teo, tao amin'ny Sisaony Park, Ifarihy,

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanafihan-jiolahy mitam-piadiana “Ody Bala sy fiarovantenan’ny dahalo ny ody gasy”

05/11/2019

Nandritra ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny komanda Roland Zakatiana,

 

 

 

 voalaza fa entina any amin’ny Fitsarana ireo ody gasy tra-tehaky ny mpitandro filaminana eny amin’ireo mpanao ratsy. Araka ny famotoran’ny zandary ireo malaso tratra miaraka amin’ny ody gasy dia “ampiasain’ireo jiolahy ho fiarovana bala ireny  ody avy amin’ny mpimasy sy sorona maizina ireny. Nataon’ireo jiolahy ho fiarovan-tena ireny ody ratsy ireny”, hoy ny Komanda Roland Zakatiana, tompon’andraikitry ny fampitam-baovao sy ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, Toby Ratsimandrava. Sesilany ny fahatrarana ody ratsy miaraka amin’ny fitaovam-piadiana tato ho ato.

Basy 10 vita gasy sy ody gasy no tra-tehaky ny miaramila 412 kaompania tao amin’ny fokontany Ambiky, kaominina Berevo, Ranobe. Lehilahy iray avy any Mahajanga nikasa ho any Maintirano no tra-tehaka mialoha ny faran’ny herinandro teo. Taorian'ny fifampitifirana tamin'ireo dahalo am-polony tao Mangabe, kaominina Antanimenabaka Distrika Andilamena, ny talata 29 oktobra, tamin'ny  5 ora sy sasany maraina dia lavo tamin'izany ny dahalo iray antsoina hoe : “Mbaza” na “Shel”. Dahalo miisa 3 hafa ihany koa naratra saingy nentin'ireo namany nandositra. Basy kalachnikov iray izay efa tsy misy bala sy fanafody gasy maro ary masolavitra na “paire de jumelles” izay fampiasan'ireo dahalo ireo no azo tamin'izany. Tsy nisy naratra ny mpitandro ny filaminana.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana