Dans la mme rubrique

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

24/02/2020

Nanao fivoriam-be ny vahoaka tao amin’ny kaominina Ambatolahy, any amin’ny faritra Ihorombe ny faran’ny herinandro teo.

Fanoheran’ny olona ny orinasa Tozzy Green Ahiana ny fifandonana ao Ambatolahy Ihorombe

Hamaky ny tohiny...

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

24/02/2020

Mibosesika any an-tanànan’ny mpifanila vodirindrina aminy ny rano maloto avy amin’ny tanàna lehibe iray ahitana tranobe misy rihana maromaro ahofa eny Ambodivoanjo-Ivandry.

Trano lehibe iray ao Ambodivoanjo-Ivandry Mivarina any amin’ny mpifanila vodirindrina ny rano malotony

Hamaky ny tohiny...

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

24/02/2020

Zazalahy 10 taona no nokasain'ny tovolahy 16 taona ho alaina an-keriny saingy tratran'ny fokonolona tao Belazalaza, fkt Dar-Es-Salam Cr Djamandjar dist Nosy be Hell-ville, ny alin'ny 21 febroary 2020.

NOSY BE HELL VILLE ZAZA 10 TAONA SAIKA HALAINA AN-KERINY

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

21/02/2020

Nanao fanambarana sy antso tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly ny eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara na PASEM fa

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

Hamaky ny tohiny...

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

21/02/2020

Nanao fanambarana sy antso tetsy amin’ny Complexe Ampefiloha omaly ny eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny fikambanana sy sendikan’ny fanabeazana eto Madagasikara na PASEM fa

Olan’ny Fanabeazana eto Madagasikara Misintona lakolosy ny PASEM

Hamaky ny tohiny...

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

21/02/2020

Lehilahy iray, 37 taona no voasambotry ny polisy teny Ankadifotsy omaly alakamisy noho ny resaka fanolanana.

Ankadifotsy Tratra ilay ray nanolana ny zanany vavy

Hamaky ny tohiny...

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

21/02/2020

Nahafa-po ny valin'ny tomban'ezaka vita tamin'ny hetsika natao ho fiarovana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-44 ao anatin'ny Faritra Alaotra Mangoro nandritra ny faran'ny taona 2019

RN2 sy RN 44 Tsy misy firy intsony ny fanafihana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fitadiavam-bola diso tafahoatra Faniriana handova no namonoan’i Tahina ny vadiny

04/11/2019

Andro vitsy mialohan’ny nanafahan’i Tahina Ratovoniaina ny ain’ny andefomandriny, Hanitriniaina Annie Perle Randrianoely no nanontany ny rafozam-baviny izy raha maty Hanitra ka afaka mandova azy.

 

 

 

Ny vadiny izay tsy marary tsy marikoditra. Nanaiky am-pahatsorana ny rafozany. Tsiahivina fa ny

30 mey 2018 no nodarohany maritoa ka maty i Hanitra izay vadiny faharoa. Efa nanambady i Tahina

talohan’ny nanambadiany an’i Hanitra ny janoary 2018. Efa nandova ny antsasaky ny fananan’ilay

vadiny voalohany izay vita “divorce” taminy. Efa niseho ihany koa io fitiavan-karena mihoapampana io, ka na telo miandahy aza ry Hanitra vadiny dia nirifan’i Tahina ny tanin-drafozany teny Tsimbazaza ary nanaiky izany izy ireo. Nododosan’i Tahina hatrany ireto farany amin’ny fanoratana an’io tany io amin’i Hanitra ary efa nangataka ny vola handraisany an-tanana haingana ny fanoratana ny tany.

 

Vady mpanan-karena fahatelo

Efa nanana fofom-bady fahatelo koa i Tahina nandritra izany, izay nampanantenainy hatao mariazy

aminy ny volana jona 2018 ka izay no heverin’ny mpisolovavan’ny fianakavian’ny lasibatra fa

anton’ny famonoana ny mialohan’ny faran’ny volana mey an’i Hanitra. Voalaza fa tovovavy manan-

katao ara-pivelomana sady mpiasam-panjakana ambony io vehivavy fahatelo nokasainy hovadiana io

ary manana trano eto an-drenivohitra.Mialohan’ny hidirany tamin’ny fanambadiana an’i Hanitra dia nilaza i Tahina fa miasa fa omeny ny fianakaviany sahirana daholo ny karamany. Nony vita raharaha izy ireo, nangatahan’ny vadiny mba hoentina mody ny antsasa-karamany. Kinanjo nilaza i Tahina fa nikatona ny orinasa niasany. Tsy an’asa anefa izy. Nividianan’i Hanitra fiara karetsaka izy fa tsy nisy vola niditra izany. Nisy fotoana izy nilaza fa hanao “special” any Antsirabe mandritra ny faran’ny herinandro izay hitondra mpanambady. Kinanjo izy ilay mpanambady ara-pomba malagasy, tamin’io hateloana andro io izay nanatanterahany ny fisehoana sy fifamofoana tamin’ilay nampanantenainy mariazy ny volana jona. Marihina moa fa voaheloka higadra asa anterivozona mandram-pahafaty eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy i Tahiana ny alakamisy teo, tany amin’ny Fitsarana Ambatolampy ary onitra ariary no alohany araka ny fangatahan’ny fianakaviana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana