Dans la mme rubrique

Areti-mifindra Olona 5 matin’ny pesta

25/10/2019

Miseho hatrany izao karazana loza sy fahasahiranana samihafa izao. Raha ny tatitra azo,

Areti-mifindra Olona 5 matin’ny pesta

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana Miha mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana

23/09/2019

Ny aretin’ny taovam-pisefoana no nisongadina, nanomboka amin’ny sery madinidinika sy kohaka, tao anatin’ny ririnina, raha ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina, mpitsabo etsy Manjakaray.

Fahasalamana Miha mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny areti-mifindra Nanolotra laboratoara mandehandeha ny Amerikanina

20/09/2019

Tafiditra amin'ny ady atao amin'ny areti-mifindra ny famatsian’ny fanjakana amerikanina,

Ady amin’ny areti-mifindra Nanolotra laboratoara mandehandeha ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fahasalamana “Zava-doza ny fanjifana fanafody eny an’elakelan-trano”

06/09/2019

Tokony hiezaka ny mponina tsy hividy fanafody an’elakelan-trano intsony hoy ny minisitra ny fahasalamam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina fa hanjifa izany eny amin’ireo toerana efa voaoakana nandritra ny fanokanana ny trano vaovaon’ny OPHAM tetsy Andohatapenaka omaly.

Minisitry ny fahasalamana “Zava-doza ny fanjifana fanafody eny an’elakelan-trano”

Hamaky ny tohiny...

Aretina kitrotro Lasa olana maneran-tany

04/09/2019

Tsy ny firenena afrikana izay sokajiana mahantra tahaka an’I Madagasikara intsony ankehitriny no malaza anjakan’ny aretina kitrotro fa hatramin’ireo firenena matanjaka tahaka an’i Lafrantsa sy Etazonia dia efa tratra avokoa araka

Aretina kitrotro Lasa olana maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Areti-maso Katarakta no mahavoa ny 50 %-n’ny marary

12/08/2019

Saika katarakta avokoa no mahavoa ny 50 %-n’ireo olona marary maso eto amintsika, indrindra ho an’ireo efa nahazoazo taona.

Areti-maso Katarakta no mahavoa ny 50 %-n’ny marary

Hamaky ny tohiny...

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15

09/08/2019

Na dia efa azon’i Madagasikara tamin’ny volana jona taona 2018 aza ny sata “Madagasikara, firenena afaka amin’ny aretina lefakozatra” dia mbola hitohy hatrany ny fanaovam-baksiny iadiana amin’ity aretina

Vaksiny iadiana amin’ny aretina lefakozatra Hotanterahina manomboka ny 12 aogositra ny andiany faha-15

Hamaky ny tohiny...


Fahasalamana

Hopitaliben’Androva- Mahajanga Velon-taraina ny mana-marary

04/11/2019

Tsy misy azo ilazana azy ho hopitalim-panjakana ny ao amin’ny hopitaliben’Androva ao Mahajanga ao raha ny fitarainan’ny renim-pianakaviana iray niara-niala sasatra tamin’ny fianakaviany tao amin’ity renivohitr’i Boeny ity.

 

 

 

Tsy aiko, hoy izy, na noho ny fiovan’ny rivotra na tsy fahazakana toe-tany no antony fa narary ny zanako ary nasain’ny dokotera niditra hopitaly. Rehefa tonga tao amin’ity hopitaly ity dia mba naha velom-panantenana ihany ny fandraisana dokotera maro izay tsy hay anefa na mpiana-draharaha na tena izy fa dia nanandraman’izy ireo fitaovana vaovao tao amin’ny « urgence » tao ilay zaza vao herintaona monja ary lasa raikidrafana mihitsy na « traumatisé ». Ny toeram-pitsaboana dia tsy manana afa-tsy « berceau » tsy misy ondana sy lambam-pandriana fa avy hatrany dia kidoro « cuir ». Tsy nisy fitsaboana natao ity zaza ity akory, hoy ireo ray aman-dreny nitaraina ary tsy misy fanontaniana firy fa ny fanafody no nasaina novidiana avy hatrany. Ny fitiliana natao tamin’ilay zaza fotsiny no efa manodidina ny 60.000 ariary. 50.000 ariary mahery teo koa ny vidin’ireo fanafody nasaina novidiana kanefa dia “éferalgant” ihany no nomena ilay zaza tamin’ireo. Ny fanafody sasany nisy tonga dia niteraka tsy fahazakana sakafo. Vidiana daholo ny fitaovana hampiasain’ireo dokotera toy ny “gant” sy ny hafa. Mba hampihenana ny hafanana koa dia ny lamba teny an-tanan’ny ray aman-drenin’ny zaza ihany no nasaina nolemana sy natafy azy. Efa ana hetsiny maro no vola lany tamin’izany rehetra izany, hoy izy ireo, kanefa dia mbola nakana hofan-trano tapak’andro mitentina 15.000 ariary koa. Miantso ny tompon’andraikitra, araka izany, ireo ray aman-dreny mba handray ny andraikiny sy hanara-maso ny afitsok’ireo mpitsabo sasany eto amin’ity Madagasikara ity.

J. Mirija

Legende: Misy anefa ny famatsiana ara-bola sy fitaovana omena itony toeram-pitsaboana itony.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana