Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Onitra ho an`ny Tanà-Masoandro Vola avy aiza marina ilay “20 tapitrisa dolara” ?

04/11/2019

Andro vitsy lasa izay dia noraviraviana vola ny mponina etsy Ambohitrimanjaka. Taorian` ny fisokafan’ilay« guichet unique » etsy amin`ny Village Voara izay, efa maherin` ny 300 ireo

 

tompon-tany nangatam-panazavana raha ny tatitra voaray. “Parcelle” miisa 44 amin` ireo 700 voakasiky ny dingana voalohany amin` ny tetikasa no fantatra ary avy hatrany nanasonia ny fanomezan-toky amin`ny fampivarotana (promesse de vente) eo amin` ny tompon-tany sy ny fanjakana Malagasy. Tsy midika kosa fa olona 44 no nanao izany fifanarahana izany fa misy olona iray manana « parcelle » maromaro amin` ilay tany 1000 ha voakasika, hoy Rahaingson Harifidy, talen` ny serasera eo anivon` ny ministeran` ny fanajariana ny tany. Mahakasika ny trano, tompon-trano efatra no nanamarina ny trano raha voakasika amin` ny tetikasa ka iray no efa nanasonia “promesse de vente”, hoy ihany izy. Noho izany, koa satria tsy dia nahomby loatra ny serasera nanodidina an` ny Tanà-Masoandro dia tadiavina ho saraham-bazana ny firaisan-kina amin` ny alalan` ny fanentanana an` ireo olona sasany ho eny amin`ny “guichet unique”. Fanapahan-kevitra tsy noresahina tamin`ny vahoaka anefa izany. Mipetraka kosa ny fanontaniana: Avy aiza io 20 tapitrisa dolara io izay voalaza fa hatokana amin`ny fanonerana onitra?  nahoana no tonga dia notoninina tamina vola vahiny (dolara) hatrany am-piandohana ilay izy fa tsy natao tamin’ny Ariary Malagasy ? Moa tsy efa mazava ve izany fa vola azo  avy amin’ny vahiny na Any ivelany io ?

Sao dia mba kitoatoa e ?

 Sarotra inoana hoe manana izany tetibola izany na koa afaka namoaka izany ny Fanjakana Malagasy kanefa ny firenena mandalo krizy amin`ny sehatra maro samihafa. Raha atao ny kajy tsotra dia 1000 ha = 10 000 000 m2. Izany hoe 2dolara /m2 na 7360,54 Ariary. Vao maika miseho ny maha kitotoa ity Tana Masoandro ity. Hatramin` izay tsy nisy resaka 20 tapitrisa dolara dia izao rabirabina vola ndray ireo olona marefo. Raha ny filazan’ireo tandapa dia 25 miliara ariary ny volan’ny fanjakana Malagasy ampiasana amin` ity tetikasa ity. Midika izany hoe tsy mahavita akory ilay « expropriation » izany.Noho izany, tsy azo hofaritana ho tetikasam-panjakana io. Tompon’andraikitra nomena ny fahefam-panjakana no mirotsaka an-tsehatra eo amin’ity voalaza fa tetikasan’ny Filoham-pirenena ity, kanefa tsy volam-panjakana, fa fiarahamiasa amin’ny tsy miankina. Tsy miankina iza, ary ahoana no votoatin’ilay fiarahamiasa? Efa nisy ny disadisa vao nilaza ny tompon’andraikitra fa tsy volam-panjakana no hanaovana ny tetikasa…  Mampitombo sy mampitombina ny ahiahy sy ny tsaho ny amin’izay, ary mampihena ny risipo raha tsy voazava tsara. Mahatonga ny vahoaka hilaza fa « lasan’ny vahiny » indray ny tany e !

Marigny A.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana