Dans la mme rubrique

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

20/02/2020

Nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy izay voarohirohy ho mpangala-jaza izay nosamborina tetsy Ambilanibe.

MPANGALA-JAZA TENY AMBILANIBE

Hamaky ny tohiny...

RAZANA NITERAKA OLANA

18/02/2020

Lehilahy iray no nisy nandevina tao amin’ny tranony tetsy Alasora.

RAZANA NITERAKA OLANA

Hamaky ny tohiny...

FILANKEVITRY NY MINISITRA

30/01/2020

Nanome toromarika ny governemanta nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.

FILANKEVITRY NY MINISITRA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

29/01/2020

Mahakasika ny fanovàna governemanta izay tsy ho ela intsony dia fantatra fa minisitra telo no avy amin’ny filoha telo aloha Ravalomanana ary ny roa kosa dia avy amin-dRajaonarimampianina

GOVERNEMANTAN’NY FISOKAFANA

Hamaky ny tohiny...

TANIM-PANJAKANA

16/01/2020

Nambaran’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly fa antontan-taratasy miisa 19 vokatry ny hosoka no navoakan’ny teoanivon’ny

TANIM-PANJAKANA

Hamaky ny tohiny...

MBOLA NIFETY IHANY

13/01/2020

Na dia efa nilaza aza ny fanjakana fa tsy hisy ny fetin'ny fankalazana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, misy amin'ny sampan-draraharaha ao amin'ny fitondrana maro ihany no manao fety.

MBOLA NIFETY IHANY

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

10/01/2020

Valo lahy mitazona basy marovava na kalachnikov no nanafika ny toeram-pivarotana enta-madinika iray tetsy Ambohijanaka.

FANAFIHANA TENY AMBOHIJANAKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

JEAN LOUIS ROBINSON

31/10/2019

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara monina sy miasa any amin’ny repoblika entim-bahoakan’i Chine ny Dr Jean Louis Robinson.

 

 

 

Izy moa dia efa kandida filoham-pirenena natolotry ny TIM tamin’ny 2013, ary efa minisitry ny fahasalamana, ary ihany nisahana ny ministeran’ny fanatanjahantena nandritra ny fitondrana Ravalomanana.Ben’ny tanàna tany amin’ny kaominin’Ampasikely – Faritra Alaotra no andraikitra farany nosahaniny.

 

ALAIN RAMAROSON

 

Hanomboka  hiverina hisehoseho sy hanao politika indray i Alain Ramaroson. Rehefa nangina tanteraka sy avy nigadra ity dinaozaoron'ny politika ity, haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena. Ny raharaha momba ny nosy manodidina no hanaovany fanazavana sy tsy ekeny raha ny fantatra. Hanetsika ireo mpiara-dia aminy ihany koa izy amin'ity resaka nosy manodidina na iles eparses ity

OLANA AMIN’NY FANENDRENA GOVERNORA

 

Adivarotra sy don-tabatra be mihitsy ny fametrahana ireo ambina governora tsy voantendry. Ny faritra Vatovavy sy ny faritra Fitovinany ity tena nampisy olana ity. Samy niady ny hametrahana ny olona tiany ho governora ireo olona akaiky ny filoha ka nanomboka teo no nampisy ny adihevitra be. Tafiditra ao anatin'izany  ny famaritana ireo distrika tsirairay handrafitra ireoy faritra ireo.

OLANA ARA-TANY ANY NOSY BE

 

Lasan'ny vazaha daholo ny ankabezan'ny tanin'ireo malagasy kely any Nosy be amin'izao raha ny fitarainan'izy ireo. Tokantrano am-polony maro no  nesorina tamin'ny toeraa efa nohajarian'izy ireo an-taonany maro tao Angelikelika. Rehefa manao fanoherana ireo vazaha anefa  avy hatrany dia  migadra. Olona telo no nidoboka am-ponja omaly noho ny fiarovan’izy ireo ny taniny, hoy ny depiote avy any an-toerana izay miantso vonjy amin'ny fanjakana mba hijery ity olana ity.
SOURCIN VOYAGE


Mitontona any amin'ny vadin'i Jo Sourcin indray ny rihitra ankehitriny. Ny antony dia noho ny orinasa Sourcin’ Voyage izay natao amin'ny anarany. Midika ho firaisana tsikombakomba eo amin'izy mivady izany ny nanjo ireo olona marobe voasoloky. Mandeha ny feo fa any Diégo io ramatoa io no miery ankehitriny. Misy koa anefa ny milaza fa efa tafatsoaka any ivelany izy mivady.

 

 

 

 

 

SAOFERANA TAKSIBE KAROHANA

 

 Namoahana fampilazàna fikarohana ilay mpamily taksibe izay nandona ramatoa efa lehibe maty tsy tra-drano vokatr'izany. Nitsoaka io mpamily io rehefa avy nahavanon-doza. Rehefa nandeha ny fitoriana ka tsy hita izay nanjavonany no koa tsy namaly antson'ny polisy dia mandeha amin'izay ny fikarohana azy.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana