Dans la mme rubrique

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

18/11/2019

Kihon-dalana farany ho an’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben’ny tanàna ity herinandro ity. Amin’ny heriny anio dia ny alatsinainy 25 novambra no hikatona tanteraka izany.

Fifidianana eto Iarivo Miketrika mafy ny karana …

Hamaky ny tohiny...

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

18/11/2019

Nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny mpanao politika, Constant Raveloson.

Constant Raveloson « Mbola manjaka ny kiantranoantrano eto e ! »

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

18/11/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny sabotsy teo ny antoko politika Otrikafo manoloana ny fisian’ny fihaonana eo amin’ireo

Fitakiana ireo Nosy Malagasy Tsy mora fa tsy maintsy atao

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

18/11/2019

Anio ny fihaonana voalohany eo amin'ny an-daniny Malagasy sy ny an-kilany Frantsay handinihana ny famerenana ny Nosy Malagasy ao amin'ny ranomasimbe indiana.

Imbiki Herilaza « Ho avy ny fihantsiana sy ady an-kolaka”

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

18/11/2019

Nanentana ny fitondram-panjakana fa tokony hanangana ny sainam-pirenena fotsy, mena, maitso ny Malagasy rehetra anio alatsinainy 18

Fitakiana ny “Iles Eparses” Ho fandresena tahaka ny an’ny Barea ve ?

Hamaky ny tohiny...

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

15/11/2019

Raha tsy maintsy hanao tanàna vaovao ihany, andao apetraka ny fotodrafitrasa mifanandrify amin` izany.

Fananganana tanàna vaovao Azo atao tsara any amin’ny RN1

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

15/11/2019

Napetraka omaly ny vatofototry Akademiam-pirenena ho an’ny Kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy na ny ANAC (Academie Nationale des Arts et de la Culture)

Tetikasa Tanà-masoandro Manomboka milavo lefona Rajoelina…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Anaty krizy ny fitondrana Voadaka ny minisitra Vonjy Andriamanga

31/10/2019

Araka ny efa nanampoizana azy, taorian’ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH)

 

 

afak’omaly dia nesorina tamin’ny toerany ihany koa omaly hariva ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo Atoa Vonjy Andriamanga. Ny olana teo amin’ny fikorontanan’ny famatsiana sy fitsinjarana ny solika no re fa anton’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta izao. Eo ihany koa moa ny olana miverimberina amin’ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny famatsiana rano eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina izay samy eo ambany fiahian’ity minisitra ity avokoa. Hoy indrindra ny tati-baovaon’ny filankevitry ny minisitra natao omaly : “Araka ny didim-panjakana noraisin’ny filoham-pirenena avy amin’ny tolo-kevitry ny praiminisitra dia nesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny minisitra misahana ny angovo, ny rano ary ny akoranafo intsony Atoa. Vonjy Andriamanga ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra Atoa. Christian Ramarolahy no misolo vonjimaika ny toerany”. Tranga izay manaporofo hatrany ny efa notaterina teto amin’ny gazety fa mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara ary tsy mety mahita ny vahaolana tena mahomby ny mpitondra ka mba hanatsaratsarana ny sary dia tsy maintsy manala tompon’andraikitra aloha. Olana saro-bahana anefa ny resaka solika eto Madagasikara, tsy vitan’ny fanapahan-kevitra kimaimaika fa misy olana fototra mila fantarina izay vao mitondra vahaolana mahomby.Raha ny fahafantarana azy dia niezaka nikaroka io vahaolana io ny minisitra teo aloha Vonjy Andriamanga, saingy toa ezaka nandeha ila ihany ny azy noho ny tsy fisian’ny firaisankina eo amin’ny governemanta, toa samy maka ho  azy izany ireo minisitra. Ny praiminisitra aza moa efa ho iray volana aty aorian’ny olana maro lafy vao miteny kely. Mbola fanontaniana manitikitika ny maro anefa taorian’izao fanesorana ny minisitry ny angovo izao ny hoe : hivaha amin’izay ve izany ity olan’ny solika ity ? Ahoana ny momba ireo kaompania telo lehibe (LPSA, Total, Shell) nosaziana handoa lamandy ? Manaiky izany ve izy ireo sa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ? Tsara homarihana ihany koa fa minisitra roa izany izao no efa niala tao anatin’ny governemanta, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina izay kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra ka ny praiminisitra no misahana vonjimaika ny asany. Faharoa, ny minisitry ny angovo Vonjy Andriamanga. Mpisolo toerana ihany koa no hisahana ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny minisitera notantaniny. Tsy takon’afenina intsony fa mandalo krizy ihany koa ny fitondam-panjakana.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana