Dans la męme rubrique

Tratry ny ady an-kafetsena?

24/02/2020

Tsy hita be ihany ny raharaham-pirenentsika amin’izao fotoana izao. Toa mba misy tsirim-panantenana ihany satria misy ny fampanantenana volabe, raha tsy hilaza afatsy ny an’ny Frantsay.

Tratry ny ady an-kafetsena?

Hamaky ny tohiny...

Kirendrarendra foana ve ?

21/02/2020

Sarotra ny zavatra iainan’ny firenena amin’izao fotoana izao. Sesilany hatrany ny olana, izay toa tsy ahitan’ny fitondram-panjakana vahaolana maharitra sy mateza.

Kirendrarendra foana ve ?

Hamaky ny tohiny...

Edito Mifamatotra daholo

20/02/2020

Mitotongana ny fiainam-pirenena ary hita ho lojika sy mifamatotra daholo ny zava-mitranga rehetra fa tsy misy tokoa, araka ilay nambaran’ny filoham-pirenena hatry ny ela ny kisendrasendra.

Edito Mifamatotra daholo

Hamaky ny tohiny...

May ny endim-boanjony !

19/02/2020

Tsy mandry andro tsy mandry alina ny filoham-pirenena sy ny ekipany amin’ny fanatanterahana ny fanambiny.

May ny endim-boanjony !

Hamaky ny tohiny...

Edito Ho rava eto daholo !

18/02/2020

Ny tanimbary mamokatra tapitra totofana. Ny vakoka sasany toy ny eny Ambohitrimanjaka koa harodana.

Edito Ho rava eto daholo !

Hamaky ny tohiny...

Ny teny toy ny salaka

17/02/2020

Raikitra ny fampahatsiahivana ny fanambin’ny filoham-pirenena nataon’ny depiote iray tany Ambatondrazaka. Nofatoran’io olom-boafidy io tamin’ny teniny ny filoha Rajoelina tamin’ny fampanantenana nataony.

Ny teny toy ny salaka

Hamaky ny tohiny...

Mila mibebaka ?

14/02/2020

« Rehefa mety ny atao, dia ny soabakaka aza mampidi-dranon-ketsa, fa rehefa tsy mety ny atao,

Mila mibebaka ?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Miakatra ny hafanana

31/10/2019

Sady ara-bakiteny mihitsy izany izao no ara-tsarinteny ilay fehezanteny hoe miakatra ny hafanana raha hanambara ny raharaham-pirenena ankehitriny.

 

 Eo ihany tsinona ny andro miha migaingaina fa mitohivakana miha miakatra koa ny maripana amin’ireo olana amina sehatra hafa ankoatra ny resaka tontolo iainana. Efa mitady ho zary olana tandra vadin-koditra ny sasantsasany amin’ireo tranga mampivonto ny oron’ny maro toy ilay resaka delestazy sy tsy fisian-drano. Tsy vitsy amin’ireo olompirenena tokoa aloha, raha ny resaka eny an-jorony eny, no efa mijery izay azo atao ho solom-bahaolana manoloana an’ity olana ara-tsolika nandalo sy miverina mandindona ity. Sanatria koa ve ny fitondram-panjakana hanararaotra izay fandraisany andraikitra tsy fidiny sy hampijaly vahoaka izay ? Azo lazaina ho toy ny vara-datsaka ho an’ny mpanara-baovao ny nandre iny fametraham-pialan’ny tompon’andraikitra  andrin’ny resaka fitantanana ara-tsolika eto amin’ny firenena iny. Na fanekena na fandavana azy iny aloha no hasetrin’ny fanjakana azy dia mbola midika ho tsy filaminan’io sehatra iankinan’ny fiainam-pirenena io hatrany no iainantsika. Rehefa io rahateo no tsy tomombana dia ny toekarena iray manontolo mihitsy izay no mandindona hirodana. “Ahoana no hiatrehana fifidianana amin’izao ?”, hoy ireo mpanara-baovao. Pitik’afo kely monja, araka ny fitenenana, ankehitriny dia efa maha tsitohinina ny mpiara-monina manoloana ity karazana hafanana miakatra rehetra ity. Hita ho mijotso ho any amin’ny faharavany ny soatoavina sy fahendrena navelan’ireo Ntaolon-drazana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana. Misy mpanao politika sahy manao tatitra aza fa misy foko efa miady mihitsy. Dia mbola hiroso amin’ny hazakazaka hakana fahefana ihany ve sa hamaha ireo olam-be ireo ?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana