Dans la mme rubrique

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

22/09/2020

Tontosa omaly 21 septambra teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanihanan'ny Filoha lefitry Vaovaon'ny CENI Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse.

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

Hamaky ny tohiny...

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

22/09/2020

Nalaina hiresaka sy tsy namaly ny mpanao gazety ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly momba ny raharaham-pifidianana loholona sy momba ireo fitoriana tafapetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy.

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

22/09/2020

Nisokatra omaly tetsy Ampefiloha ny andiany faha 30 amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy. Isan’ny votoatin-dresaka tao

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

22/09/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

Hamaky ny tohiny...

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

22/09/2020

Mifanenjana amin’ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny mpitondra sy ny mpanohitra. Miha mifoha ireo toe-javatra maneho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana Rajoelina.

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

22/09/2020

Ny fanombohana ny fanovana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RCR na famondronana ny olompirenena tomponandraikitra, tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison,

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

Hamaky ny tohiny...

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

22/09/2020

Niainga tany amin’ilay fandaniana ny hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena nandalo teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary nananganana ilay vaomiera ikambanana isasahana isika, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy.

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antoko UNDD Miantso ny Malagasy handray ny andraikiny

31/10/2019

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba ary hifarana anio ny filankevitra nasionalin’ny antoko UNDD tao anatin’izay fotoana ela tsy nahenoana ny feon’izy ireo izay.

  

 Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny, araka izany, ny « Union Nationale pour le Développement et la Démocratie », Antoko politika naorin’ny profesora Zafy Albert ny taona 1988. Nambaran’ny dokotera Rakotovahiny Emmanuel, filoha mitantana ny antoko fa ilaina ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena eto amin’ny firenena raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara. Foto-kevitra efa nijoroan’ny antoko tamin’ny fotoana nahaveloman’ny filoha Zafy Albert teo aloha izany raha tsiahivina ary mbola tazonin’izy ireo ankehitriny. Hofaritan’ny antoko ao anatin’izao 30 taona nijoroany izao ny heviny sy ny toerana misy azy manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny, hoy ny fanamafisan’ny sekretera jeneralin’ny antoko, Manoro Regis. Miantso ny Malagasy handray ny andraikiny ihany koa ny antoko amin’ny alalan’ny fampahatsiahivany fa zavatra miisa 3 no mila apetraka mazava eto dia ny atao hoe adidy sy zo ary fitsipika na « discipline ». « Mazava sy efa tontosantsika ve ireo ?”, hoy ny fanontaniana mipetraka.

J. Mirija/ Pati

Legende : Tetsy amin’ny Live Hotel omaly

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana