Dans la mme rubrique

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

18/11/2019

Teo am-panaovana biriky no nilatsaham-potaka ny raim-pianakaviana iray ka maty tsy tra-drano, tao Didy Ambatondrazaka.

AMBATONDRAZAKA Lehilahy mpanao biriky maty nilatsaham-baratra

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

15/11/2019

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona na eto Antananarivo na any amin’ny faritra. Nahitana zaza iray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana teny Anosibe omaly tolakandro, ka maty tsy tra-drano.

Loza mahatsiravina Nipotsaka ny atidohan’ilay zaza…

Hamaky ny tohiny...

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

14/11/2019

Tsy mitsahatra mandroba ny ombin’ny Antandroy ao amin’ny distrikan’i Morombe ny miaramila sy ny sasantsasany amin’ny Dinabe any an-toerana ka mampiasa andian-jiolahy miaraka

Antanimeva distrikan’i Morombe Omby zaton’Atoa Soatogno indray no lasibatry ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

14/11/2019

Fikambanan-jiolahy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny polisy,

Fanafihana mitam-basy Antananarivo Voatifitra ny iray, azo sambo-belona ny jiolahy enina

Hamaky ny tohiny...

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

14/11/2019

Antontan-taratasy maro no efa voaray eo anivon`ny birao manokana napetraka hisahana ny fifandraisana amin`ireo mponina voakasiky ny tetikasa Tanà-masoandro etsy amin`ny Village Voara Andohatapenaka.

Hajo Andrianainarivelo « Miroso tsara ny fifampiresahana”

Hamaky ny tohiny...

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fivarotan-tena amin’ny Internet Vehivavy roa no voasambotra teny Ambanidia

30/10/2019

Nanatanteraka fampilazana fa mandray mpiasa vavy ny toerana iray teny Miandrarivo Ambanidia, kinanjo mampitanjaka olona ho hita amin’ny solosaina no ataony.

 

Vehivavy roa no voasambotry ny mpitandro filaminana izay atidohan’ny fanaboridanana zazavavy tsy ampy taona eo anatrehan’ny  “webcam” hozahan’ireo lehilahy teratany vahiny any ivelany, afak’omaly. Maro no diso fanantenana raha nitady asa ka nitaraina tamin’ny manampahefana. Nanatanteraka ny vela-pandrika ary ireo miaramilan’ny zandary ka tra-tehaka tamin’io fampanaovana fihetsika mamoafady io ireo vehivavy ireo. Eo am-panatanterahana ny famotorana sy ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana eto am-panoratana ny vaovao.

Ankoatra ny teny Andoharanofotsy, nitranga indray ity ny teo Ambanidia, izay samy eto an-drenivohitra. Azo heverina fa mbola misy toeran-kafa ankoatra ireo ka miandrandra fampitam-baovao hatrany ny mpitandro filaminana ho fiarovana ny maha olona sy zon’olombelona izay manan-kasina fa tsy mitovy amin’ny entam-barotra hafa. Heverin’ny mpanara-baovao fa tsy vitsy no mampiasa ny fandrosoana, indrindra ny nomerika sy ny fivoaran’ny teknôlôjia amin’ny fomba ratsy sy mamoafady toy izao.

Manana adidy amin’ny fanentanana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’izany ny fitondrana izay mijoro, torak’izany koa ny lafiny fanabeazana fa tsy faly mizara “tablette” ho an’ny mpianatra fotsiny. Araka ny fanentanan’ny polisim-pirenena hatrany, andraikitry ny ray aman-dreny ny zaza tsy ampy taona, tsy voatery ny fanaraha-maso amin’ny tambazotran-tserasera amin’ny finday ihany no iantsorohan’izy ireo fa ny any ivelan’ny tokantrano toy izao karazana asa mamoafady izao koa.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana