Dans la mme rubrique

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

19/02/2020

Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika amin’izao. Fotoana mahabe ny valan’aretina isan-karazany ary anisan’izany ny « Pesta ».

Fahasalamam-bahoaka Misy trangana pesta ao Antanifotsy

Hamaky ny tohiny...

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

19/02/2020

Milamindamin-dratsy ny ao Ambilobe taorian’ny savorovoro noho fikasana fitsaram-bahoaka noho ny fahatrarana an’i “Body Mena”.

Vono olona tany Ambilobe Nidoboka eny Tsiafahy í “Body Mena”

Hamaky ny tohiny...

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

19/02/2020

Taorian’ny dian’ny praiminisitra nampahery ireo traboina sy nijery ny fahavoazana,

Mahanoro Nitondra fanampiana ny minisitry ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

19/02/2020

Rangahy iray no vaosambotry ny polisy ao Arivonimamo ny alatsinainy teo noho ny resaka fihetsika mamoafady (attentat à la pudeur)

Arivonimamo Nidoboka am-ponja ilay rangahy nanolana zaza 6 taona

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

19/02/2020

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny tanàna miisa 18 lany tao amin’ny distrikan’i Brickaville.

Distrikan’I Brickaville “Ny kaominin’I Ranomafana irery no manana fiara mpitondra marary.”

Hamaky ny tohiny...

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

18/02/2020

Zandary iray kilasy faharoa miasa ao Mandrosonoro no nitifitra nahafaty ny raibeny, avy eo namono tena tamin'ny basim-panjakàna,

Zandary nanana olana Notifiriny ny raibeny avy eo izy nitifi-tena

Hamaky ny tohiny...

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

18/02/2020

Avotra soa aman-tsara ireo olona miisa 11 tao anatin’ilay vedety rendrika tany amin’ny lakandranon’i Pangalane tany Mahanoro ny marainan’ny alahady 16 febroary lasa teo.

MAHANORO Vedety fefiky ny rano, avotra ireo olona 11 tao anatiny

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antanifotsy Karohina ireo roalahy nitrobaka sabatra mpivady

29/10/2019

Niafara tamin’ny tsindrona zava-maranitra ana mpivady ny fifamaliana teo amin’izy ireo sy ireo mpiambina ny tanàna na ny Zamami.

 

 

  Raim-pianakaviana sahabo ho 50 taona no maty tsy tra-drano ny 24 oktobra teo sahabo ho tamin’ny 8 ora alina, tao amin’ny fokontany Vohimandroso Atsimoniala, kaominina Ambatomiady, distrika Antanifotsy. Naratra mafy tamin’izany koa ny vadiny izay 20 taona ka efa nentina nihazo ny hopitaly Antanifotsy. Zamami roalahy no nahavanon-doza izay nampitondra faisana ireo mpivady. Voalaza fa nonina teo Betsiboka Ambatomiady ihany ireto nanindrona sabatra saingy tsy eny an-toerana rehefa nokarohin’ny mpitandro filaminana. Zandary efatra avy ao amin’ny paositra Ambatomiady sy ny lehiben’ny borigady niampy mpitandro filaminana telo avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Antanifotsy no nidina teny ifotony nanatanteraka ny fizahana izay nomban’ny dokotera. Efa misahana tanteraka ny  fikarohana ireo olondratsy ny mpitandro filaminana.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana