Dans la mme rubrique

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

07/11/2019

Efa nigadona an-tanindrazana ny talata teo ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray.

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

Hamaky ny tohiny...

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

07/11/2019

Fiara iray no lasa lavenona izay nanamorona ny fefin’ny lisea Andohalo izay nirehitra,

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

Hamaky ny tohiny...

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

07/11/2019

Nahabe resaka teo amin'ny Facebook ny fanazavan'ny maro fa raha namono tena ilay lehilahy hita faty ny 2 novambra teo, tao amin'ny Sisaony Park, Ifarihy,

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Famonoana mpivarotra tao Behenjy Tratra izy 16 lahy sy ireo dahalo avy any Antsahadinta

29/10/2019

Jiolahy avy eny amin’ny manodidina ihany no nampakatra dahalo avy any Antsahadinta nitifitra sy nandoro ireo mpivarotra teny Behenjy, Distrika’Ambatolampy.

 

 

 Ny ampitson’ny vono olona dia efa nisy tratra, raha ny tafa manokana tamin’ny mpiandraikitra ny vondron-tobim-paritra Ambatolampy. Miandry azy 16 mirahalahy ny fonjaben'i Tsiafahy. Izay no didy navoakan'ny Fitsarana Ambatolampy rehefa vita ny famotorana azy ireo. 16 mirahalahy mianaka no voarohirohy ary voasambotry ny zandary avy ao amin'ny Kompania Ambatolampy sy ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra. Izy 16 lahy ireo no anisan'ny nandray anjara mivantana na ankolaka nandritra ny raharaha halatra sy tifitra ary  vono olona miaro fandoroana trano ny alin'ny Sabotsy 20 teo. Andian-jiolahy miisa 8, mirongo fiadiana, no nanafika tanàna roa mielanelana 7 km. Antanetilava sy Soamanarivo, samy fokontany Ambohidrano kaominina Behenjy. Tonga tao anatin'ny fotoana fohy ny zandary efadahy avy ao amin'ny PA Behenjy, rehefa nahazo antso in-droa misesy. Tamin'ny 10ora sy sasany alina izay antso 40 minitra taorian'ny fanafihana voalohany sy tamin'ny 12 ora sy sasany  alina izay antso 15 taorian'ny fanafihana faharoa.
Namoy ny ainy tamin'io fanafihana io moa ny raim-pianakaviana mpivarotra ao Antanetilava, voan'ny tifitry ny basin'ireo malaso. Nifindra tao Soamanarivo indray ireo malaso ka nodorany ny trano fonenan'ny renim-pianakaviana iray mpivarotra rehefa avy norobain'izy ireo. Namoy ny ainy vokatry ny hasemporana kosa io vehivavy io sy ny zanany telo. Mbola misy namany karohina koa ireto jiolahy ireto.

Haja Nirina

 



 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana