Dans la mme rubrique

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

22/09/2020

Tontosa omaly 21 septambra teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanihanan'ny Filoha lefitry Vaovaon'ny CENI Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse.

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"

Hamaky ny tohiny...

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

22/09/2020

Nalaina hiresaka sy tsy namaly ny mpanao gazety ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Jean Eric Rakotoarisoa omaly momba ny raharaham-pifidianana loholona sy momba ireo fitoriana tafapetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy.

Dosie mafampana Mailo ny filohan’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

22/09/2020

Nisokatra omaly tetsy Ampefiloha ny andiany faha 30 amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy. Isan’ny votoatin-dresaka tao

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”

Hamaky ny tohiny...

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

22/09/2020

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Morondava indray, raha ny fampitam-baovao voaray, ny solombavambahoaka teo aloha, Ludovic Raveloson, fantatry ny maro amin’ny hoe depiote Leva.

Depiote Leva Naiditra am-ponja ao Morondava indray

Hamaky ny tohiny...

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

22/09/2020

Mifanenjana amin’ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny mpitondra sy ny mpanohitra. Miha mifoha ireo toe-javatra maneho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana Rajoelina.

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”

Hamaky ny tohiny...

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

22/09/2020

Ny fanombohana ny fanovana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RCR na famondronana ny olompirenena tomponandraikitra, tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison,

Antoko RCR Tsy manaiky intsony ny fivangongoam-pitantanana

Hamaky ny tohiny...

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

22/09/2020

Niainga tany amin’ilay fandaniana ny hitsivolana noraisin’ny filoham-pirenena nandalo teo anivon’ny antenimiera roa tonta ary nananganana ilay vaomiera ikambanana isasahana isika, hoy ny solombavambahoaka, Alain Ratsimbazafy.

Alain Ratsimbazafy “Tokony ampiana aza ny isan’ny loholona”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Tsara toerana i Tody Arnaud ao Toamasina I, hoy i Riribe

29/10/2019

Sefom-pokontany 49 no nesorin’ny prefe Atsinanana, satria nolazaina fa tsy mahafaly ny tsy fandriampahalemana, “hono”, izy ireo.

Tsy izany anefa no marina fa noho ny voka-pifidianana ratsy ka tsy nahazoan’ny kandidà Ird vato, hoy i Riribe. Ny alin’ny zomà 11 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 10 ora dia nisy fivoriana niafina tao amin’ny Hôtel 501 tao Salazamay, ka nahitana an-dRtoa filohan’ny “tribunal administratif” hitsara  ny fifidianana, ny prefe, ny minisitra Irma, ny kandidà Ird Nantenaina sy ny rahalahiny, Ricky Din Van... Mazava ho azy fa fandaminana izay fomba hampandaniana ny kandidàm-panjakana Ird ao Toamasina no tena ivon’ny fivoriana, hoy izy. Mibaribary ankehitriny fa tsy misy “neutralité de l’administration” izany ao Toamasina ary sarotra ny hinoana fa tsy hisy ny halabato ary ho marina ny fifidianana ao. Mbola io filohan’ny fitsarana io ihany anefa no nitsara ny adin’ny sefom-pokontany sy ny “prefet de region” ka nanome rariny ny didy navoakan’ny prefe. Afa-baraka ny fitsarana ao Toamasina amin’ny afitsok’io filohan’ny fitsarana io, hoy hatrany i Riribe. Aiza ny praiminisitra no tsy mandray ny andraikitra amin’io fandikan-dalàna  ataon’ny olom-panjakana ao Toamasina io ? Aiza  ny mpanara-maso ny fifidianana ary aiza ny Ceni ?”, hoy ny fanontaniana napetrany. Ao Toamasina ao dia azo ambara fa leo amin’ny lainga sy ny famitaham-bahoaka ataon’ireo mpitantana ny Ird ny vahoaka ary samy resy lahatra fa tsy misy hafa tsy ny kandidà ny Maitre Tody Arnaud ihany no azo antoka, fa hampandroso haingana an’i Toamasina noho izy misokatra amin’ny hery rehetra ary manana ny traikefa sy fitiavan-tanindrazana. Aoka samy ho mailo isika vahoaka rehetra liam-pandrosoana, ka samy hanara-maso manomboka izao ny fandikan-dalàna rehetra ataon’ireo Ird ireo, indrindra fa ny lisi-pifidianana. Samia manao andrimaso ireo sefo fokontany sy olom-panjakana voatanisa eo ambony ireo. Na ireo Ird ao Toamasina aza ankehitriny dia manohana ny kandidà ben’ny tanàna tsy miankina Tody Arnaud ny ankamaroan’ny mpitolona, satria, leo amin’ny afitsoky ny minisitra Irma sy Ricky Din Van, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Sitraka r.   

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana