Dans la mme rubrique

Politika Hijoro ho mpanohitra ny HVM

11/11/2019

« Antoko velona, miaina ary vonona ny hisehatra amin’ny fiainam-pirenena ny antoko HVM ».

Politika Hijoro ho mpanohitra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina « Halaviro ny herisetra sy fampihorohoroana ary fifanenjehana »

11/11/2019

Tsy tonga nanotrona ny zaikaben’ny antoko HVM, ny sabotsy lasa teo, ny filoham-boninahitra ity antoko ity dia ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, saingy nitondra hafatra manoloana ny fiainam-pirenena.

Hery Rajaonarimampianina « Halaviro ny herisetra sy fampihorohoroana ary fifanenjehana »

Hamaky ny tohiny...

Jimmy ho ben’ny tanànan’Alasora Tsy handiso fanantenana ny vahoaka, hoy Ravalo

11/11/2019

Hanohana amin’ny fampandrosoana an’Alasora miaraka amin’ny kandida Jimmy andriantsoa i Marc Ravalomanana. Tonga teny amin’ny Kaominina Alasora,

Jimmy ho ben’ny tanànan’Alasora Tsy handiso fanantenana ny vahoaka, hoy Ravalo

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro Avy amin’ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka

11/11/2019

Na tamin’ny adihevitra natao tetsy amin’ny lapan’ny tanàna na amin’ny fitsidihana maro be ataony dia nasehon’ny kandidan’ny TIM Rina Randriamasinoro, fa avy amin’ny vahoaka tokoa izy ary mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka.

Rina Randriamasinoro Avy amin’ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Ireo sefo fokontany no ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka ?

11/11/2019

Araka ny taratasy lah. 453/MAHTP/SG/DGSF/DDPF/SRD/CIRDOMA avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, tamin'ny 05 novambra 2019 lasa teo,

Tetikasa Tanà-masoandro Ireo sefo fokontany no ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka ?

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro “Miara-mientana hanatsara ny fiainantsika isika”

08/11/2019

Manohy ny fampielezan-keviny ny kandida Rina Randriamasinoro atolotry ny TIM ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohtra ka toerana maro teny Ambohimanarina (Boriborintany faha 6) no notsidihany omaly.

Rina Randriamasinoro “Miara-mientana hanatsara ny fiainantsika isika”

Hamaky ny tohiny...

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

08/11/2019

Ao anatiny tsara amin’ny fampahafantarana ny kandida izay tohanany amin’ny hazakazaka ahazoana ny lapan’ny

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Antenimieram-pirenena Handinika ny ady amin’ ny tsimatimanota

29/10/2019

Teboka roa goavam-be ho an’ ireo solombavambaoaka no tsy maintsy hodinihana eny anivon’ ny Antenimieram-pirenenaamin’ ity herinandro ity. Voalohany, ny fandiniihana ireo mpikambana eo anivon’ ny Fitsarana avo na “Haute Cour de Justice”.

 

 

 

 Anio, talata 29 oktobra 2019, no handinika ireo izay ho solotena anatin’  izany vaomiera handray ny fitoriana sy hanadihady ireo fitoriana tompon’andraikim-panjakana ambony toy ny filoham-pirenena, praiminisitra…. Andrasanaraha ho voasolotena ao anatin’  izany vaomiera izany ireo vondrona parlemantera rehetra enyTsimbazaza. Anisan’ io andraikitr’ io vaomiera io ny fijerena ny famolavolana ny fampiangana. Ny teboka lehibe faharoa dia ny fananganana ny komisionina hisahana ny fanesorana ny zo tsy azo henjehina, izay hodinihana ny alakamisy 31 oktobraizao. Marotokoamantsyireoparlemantera no mialokalokaaoambadik’ io zo tsy azo enjehina io. Tsy misy mantsy fisamborana azo atao raha tsy miala ny zo tsy azo enjehina. Eo anivon’  ny Antenimiera ny fomba hanalana izay zo tsy azo enjehina izay. Amin’ ny alalan’  ny fivorian’  ny vaomiera manokana mandinika ny mampitombina na tsia ny fangatahana izany. Manapaka ny amin’  izay fanalana ny zo tsy azo enjehina na tsia ny birao maharitry ny Antenimiera fa tsy ny filohan’ ilay andrimpanjakana irery, raha tsy ao anatin’ ny fivorian’ ny Antenimiera ny raharaha. Araka izany, hiompana amin’  ny ady amin’ ny tsimatimanota ny fivoriana eo anivon’  ny Antenimieram-pirenena ary tsy maintsy ho dinihana akaiky. Ny masotsivana araka ny nambaran’  ny mpikambana iray eo anivon’ ny birao maharitra dia olona tokony hanana fomba fijery mazava sy tsy mitongilana no tokony hipetraka amin’  ireo vaomiera ireo.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana