Dans la męme rubrique

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

21/02/2020

Nambaran’Atoa Jean-Yves Le Drian, minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay omaly nanoloana ny mpanao gazety fa mitohy ny fifampidinihana ny amin’ny famerenana ny « Iles Eparses » ho an’ny Malagasy.

Paikady Enti-manandratra an'i Madagasikara Hanome 240 tapitrisa euros ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

21/02/2020

Navoakan’ny fampahalalam-baovao iray omaly fa voatendry ho Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo Atoa Andriatongarivo Nasolo Tojonirina,

Fanendrena olona ambony Nisavoritaka indray ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

21/02/2020

Ny atao hoe fitsinjaram-pahefana mahefa dia fahefana ara-politika, ara-pitantanana ary ara-bola.

Imbiki Herilaza “Mivangongo loatra amin’ny fanjakana foibe ny fahefana”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

21/02/2020

Misy andiana « Assistant parlementaire », mpiara-miasa akaiky amina solombavambahoaka, mitaraina fa 100 000 Ar no mba tambin-karama omen’ny depiote azy ireo, raha tokony 460 000 Ariary izany.

Antenimieram-pirenena Misy depiote manambaka ireo «Assistant parlementaire »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Amboteiazy, solika tsy misy, delestazy Hovonoina ve ny mponin’Antananarivo ?

25/10/2019

Ekena fa tena ilaina ny fanatsarana sy fanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny lalana, tetezana, trano. Tsy lavinna fa mety misy ny tampoka saingy misy kosa angamba ny fandaminana asa tokony hatao fa tsy atao hitsin-dalana fotsiny ilay izy.

 

 

 Ny zava-misy tato anatin’ny roa herinandro mantsy izao dia tena voaelingelina tanteraka ny fiainan’ny olona, indrindra fa ny mponin’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy. Tsy misy fampandrenesana mazava fa tonga dia mikatona tampoka io lalana io satria mandrakotra tara ny mpanao lalana, fitohanana tsy hita noanoa no mitranga. Maraina, atoandro, hariva. Samy raikitra ao avokoa na ny mpianatra na ny mpiasa. Miaraka amin’io, ady saritaka vao mahita solika, milahatra hatramin’ny adiny 3. Tonga any am-piasana, vao mihodinkodina kely mandamina ny birao , indro fa tonga radelestazy, tonga dia lany eo indray aloha ny ora 2 na 3. Miaritra mamita asa eo, ka tara fodiana. Efa tsy misy intsony ny taksibe satria reraky ny amboteiazy ny tontolo andro ny fiara sy ny mpamily ary ny resevera ka efa nody tamin’ny 6 ora hariva. Alim-be vao tafody, mety amin’ny  9 ora alina, vao mandrapaka iray sotro misakafo dia miala any indray ny delestazy. Labozia no narehitra ... sady miezaka manangona rano ihany hampiasaina amin’ny ampitso satria tapaka isan’andro ny rano amina faritra maro ka amin’ny alina no manangon-drano ny isan-tokantrano. Ankapoben-javatra ireo fa mety mbola misy tranga hafa. Raha fintinina, miantraika mafy amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano ary efa manomboka misy akony ratsy any amin’ny fiainan’ny orinasa ny karazan-krizy misy teo. Mbola azo antenaina hahita vahaolanna ve ny mpitondra fanjakana sa samy mihafy aloha fa efa izao no zava-misy vokatry ny gaboraraka niainana teto efa ho 10 taona izao ?

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana