Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rivo Rakotovao “Ny hanambatra ny mpikambana no tanjona amin’io kongresy io”

25/10/2019

Hanambatra ireo mpikambana izay tsy nivadika palitao ny tanjon’ny antoko Hvm amin’io kongresy izay ho tanterahin’izy ireo io, amin’ny volana novambara ho avy izao.

 

 

 Nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao, sady filoha nasionalin’ny antokon’ny fitondrana teo aloha, fa ireo izay mpiara-dia tamin’ny antoko ary mbola tsy nivadika hatramin’izao no antson’izy ireo hamonjy io kongresy ataon’ny antoko io. Araka ny fanazavana voaray mantsy dia,  hiverina amin’ny heriny tanteraka sy eo amin’ny sehatra politika, ny antoko HVM na Hery Vaovaon’i Madagasikara. Naleon’ny antoko nisafidy ny nangina sy nandinika ny toe-draharaha politika misy eto amin’ny firenena aloha. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny antoko Hvm, fa hanatanteraka kongresy ny antoko amin’ny volana novambra ho avy izao. Miantso ny mpikambana Hvm rehetra manerana ny distrika, indrindra fa ny faritra miaraka amin’ireo mpikatroka mafana fo mba ho tonga amin’io kongresy izay ho tanterahina io, hoy hatrany ny fanazavana. Tsiahivana fohy ny tantara, fa taorian’ny faharesen’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, dia tsy hita tabilao nanomboka taorian’izay ity antoko ity ary tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana rehetra nisesy teto amin’ny firenena ihany koa. Nisy aza no namadika palitao, ka niaraka tamin’izao fitondrana ankehitriny izao.  Amin’izao fotoana izao, nambaran’ny filoha nasionalin’ny HVM, fa hiveriny amin’ny heriny tanteraka ny antoko, ka aorian’ny kongresy no hiseho amin’izay izy ireo, miaraka amin’ny birao sy ny mpikambana rehetra.

Sitraka r.  

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana