Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mponin’Ambohitrimanjaka Manizingizina fa tsy manaiky ny hanotofana ny taniny

25/10/2019

Very fanahy mbola velona ny ankamaroan’ireo mponina voakasik’ilay tetikasa tana-masoandro kasain’ny fitondram-panjakana hanotofana tany an’arivony ha ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

Nivory sy nikaon-doha tetsy amin’ny tranompokonolona Ambohitrimanjaka izy ireo omaly nahitana ireo solontena maro avy any Ankadimanga, Ambohidrapeto ary Fiombonana. Nambaran’izy ireo fa ny fihaonany mivantana amin’ny filoham-pirenena ihany no tena  mety ahitany ny tena marina. Ny mampalahelo mantsy, hoy i  Eric Randrianaivo, solontenan’ny mponina dia tsy araka ny tokony ho izy ny vaovao naelin’ireo nilaza fa solontenan’ny filoha nihaona tamin’izy ireo tamin’ny talata lasa teo, tao  anatin’ny tambajotran-tserasera.  Naely ny vaovao fa nanaiky ilay tetikasa tana-masoandro izahay mponina eto Ambohitrimanjaka, hoy izy vaovao mbola haely amin’ireo mponina eny Ankadimanga ihany koa ka lasa miteraka fifandonana eo amin’ireo mponina voakasiky ny tetikasa.  Ekena hoy Atoa Eric Randrianaivo fa tsy manda ny asa fampandrosoana kasain’ny filoham-pirenena hatao izahay toy ny fampidirana herináratra….saingy sa tsy manaiky ary tsy hanaiky velively ny hanotofana ny tanimbarinay, kosa. Ankoatra izay hoy hatrany ity solon-tenan’ny mponina ity dia nolazaina fa haato aloha ny asa  kasaina hatao eny Ambohitrimanjaka saingy mbola tazana eny amin’ny lalana hiditra ao an-toerana  hatrany  ireo karazama kaontenera hatao solona trano hipetrahan’ny mpiasa hanatanteraka ilay tetikasa tana-masoandro. Nomarihin’ireto mponina eny Ambohitrimanjaka sy Atsimomdrano ireto moa fa raha toa ka mbola minia manatanteraka ilay tetikasa tana-masoandro ao amin’izy ireo ihany ny fitondram-panjakana dia haneho ny heriny ihany koa izy ireo. Mandrapaha anefa dia fantatra fa hampiato ny tolona aloha izy ireo satria mahatoky ny fahendren’ny filoham-pirenena izay nanantitrantitra fa haka ny tanin’ny gasy lasan’ny vahiny aza fa tsy sanatria hivarotra izany.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana