Dans la mme rubrique

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Analakely Tsy misy ahiana ho voan’ny haromotana ireo lanin’ny alika

24/10/2019

Efatra ireo nokaikerin’ny alika romotra teo Analakely ny alatsinainy atoandro teo.

 

 

 Ireo fianakaviana sahirana no niompy ity biby ity. Voalaza fa tsy vita fanefitra tamin’ny haromotana ilay amboa ka nahiana tamin’ny fahasalaman’ireo lasibatra. Mpivarotra manan-katao no ankamaroan’ireo niharam-boina novazanan’ilay alika. Ankoatra ny famonjena teo no ho eo tahaka ny fanapotsirana ny ra hivoaka sy ny fanasana savony avy hatrany ny ratra ary ny fifehezana ny lalandra tsy ho tonga any amin’ny fo sy hipariaka any amin’ny atidoha hitondra ny valanaretina dia nentina nihazo haingana ny ivontoeram-pitsaboana izy ireo. Ireo sendra ny mpanao gazetinay no nilaza fa avotra soamantsara ireo niharam-boina. Niteraka savorovoro teo anatin’ny renivohitr’Antananarivo ity kaikitra kivindro ity. Maro tokoa ireo alika no mirenireny eto an-drenivohitra izay heverina fa manan-tompo ihany izy ireny. Efa nisy fotoana nampiasana poizina namonoana azy ireny ary tsikaritra fa maro tokoa ny alika mirenireny. Amin’izao firohotan’ny tsy fandriampahalemana izao anefa ilaina ho famoha-mandry ireo biby tongotr’efatra mpivovo ireo hiomanana amin’ny tranga. Volana vitsy no nanatanterahina ny vaksiny maimaimpoana ho an’ny biby fiompy ho fiarovana amin’ny haromotana, fantatra anefa fa tsy nazava ny toerana isam-pokontany nalehan’ireo mpitsabo biby ka maro no tsy nahavita ny vaksinin’ny saka sy ny alikany.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana