Dans la mme rubrique

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

13/11/2019

Notanterahina omaly nandritra ny fivoriana isan-kerinandron’ny kaomisaria Antananarivo Renivohitra, teo amin’ny polisim-pirenena Tsaralalana, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny sampana mpamonjy voina.

Vonjy taitra sy hain-trano Hifanampy ny polisy sy ny mpamonjy voina

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

13/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tany Ampasimadinika, 60 km tsy hiditra an’i Toamasina, tamin’ny lalam-pirenena faha 2, avy aty an-drenivohitra.

Lozam-pifamoivoizana RN2 Resin-tory ny mpamily, niala an-dalana ny fiara

Hamaky ny tohiny...

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

12/11/2019

Mandray ny fahatelo taonany i Nombana Rakotoarison, monina any Talata Volonondry no tratran’ny areti-maso mampivarahontsana. Raha ny filazan’ny ray aman-dreniny, herinandro taorian’ny fakany fialantsasatra tany Mahajanga no niseho ny soritr’aretina.

Nombana kely Niharan’ny areti-maso mampiahiahy…

Hamaky ny tohiny...

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

12/11/2019

Tapaka nanomboka ny sabotsy lasa teo ny lalana amboarina etsy Besarety. Amin’ny 14 desambra ho avy izao, vao azo ampiasaina tanteraka ity lalana ity, hoy ireo mpiasa.

Lalana amboarina etsy Besarety Amin’ny 14 desambra vao azo handehanana

Hamaky ny tohiny...

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

12/11/2019

Ny talata 22 oktobra teo, nisehoana fanafihana mitam-piadiana nataona andian-jiolahy maromaro tao amina tokantrano iray tao amin'ny kaominina Tranoroa,

Beloha Androy Tra-tehaka ireo 8 lahy nandroba 20 tapitrisa ariary…

Hamaky ny tohiny...

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ankeniheny,Tanjombato Azo niaraka tamin’ny sabatra lava lela ilay mpanendaka ikohizana

24/10/2019

Voasambotry ny Polisy miasa ao Soavina Atsimondrano ny 21 okobra lasa teo teny Ankeniheny,Tanjombato tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30mn alina, ny lehilahy iray, miaraka amin’ny sabatra efa ho iray metatra.

 

 

Nampitaraina ny olona mipetraka eny Ankeniheny sy ny manodidina ny fisiana olona manakana sy manendaka eny an-toerana. Olona andeha hamonjy fodiana avy miasa ao amin’ny orinasa no lasibatra tamin’izany ka teo amin’ilay lalan-kely miditra eo amin’ny “Aquarel zone Forello”, mivoaka eny Ankeniheny iny no nahavoa azy. Izay olona mitsofoka any amin’ilay lalana dia iharan’ny asa ratsy avokoa, ambanan’ilay olon-dratsy amin’ny sabatra lava lela mirefy 80cm ilay olona ary alainy ny vola sy ny entana eny amin’ilay olona endrahiny. Nahazo antso ny manodidina ny Polisy mahakasika io zava-mitranga miseho eny an-toerana io ka nandray ny andraikiny avy hatrany. Natao ny velam-pandrika ka tra-tehaka teo am-panatanterahana ny ny asa ratsiny ilay olon-dratsy niaraka tamin’ilay Sabatra iray lehibe.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana