Dans la mme rubrique

Biletà tokana « Tsy hisy ny fahatarana », hoy ny CENI

13/11/2019

Distrika 101 amin’ireo 119 manerana ny nosy no nahavitana ny fanotana biletà tokana izay fiaraha-miasa amin’ny tranoprintim-pirenena ho amin’ny fifidianana kaominaly sy mpanolotsaina.

Biletà tokana « Tsy hisy ny fahatarana », hoy ny CENI

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra Tsy taitra intsony ny olom-pirenena

13/11/2019

Ao anatin’ny herinandro faharoa ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna.

Fampielezan-kevitra Tsy taitra intsony ny olom-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro « Manana ny vahoaka isika…»

13/11/2019

Mihohy ny fampielezan-kevitra ataon’ny Kandida Atolotry ny Antoko TIM eto Antananarivo Renivohitra Rina Randriamasinoro.

Rina Randriamasinoro « Manana ny vahoaka isika…»

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governoram-paritra Nangataka ny hevitry ny HCC i Rivo Rakotovao

13/11/2019

Mbola mipetraka adihevitra taorian’ny fanendrena ny governoram-paritra ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny repoblika

Fanendrena governoram-paritra Nangataka ny hevitry ny HCC i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny tsimatimanota Afaka hiasa tsara ve ny HCJ ?

13/11/2019

Nisokatra indray ny fanadihadiana mahakasika ireo tompon’andraiki-panjakana ambony nandritra ny fitondrana teo aloha izay voarohirohy amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana. Minisitra telo no voasaringotra amin’izany.

Ady amin`ny tsimatimanota Afaka hiasa tsara ve ny HCJ ?

Hamaky ny tohiny...

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

12/11/2019

Taorian`ny fanapahan-kevitra noraisin`ny fanjakana momba ny raharaha Fanirisoa Ernaivo, dia naheho ny tsy fahafaliany ireo mpanara-dia azy.

Mpiara-dia amin` Fanirisoa Ernaivo “Didy politika iny nivoaka iny”

Hamaky ny tohiny...

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

12/11/2019

Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.

Kandidan’ny IRD efa voaheloky ny fitsarana Nametraka fitoriana ny kandida Aristide ao Brickaville

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Manomboka miady amin’ny Frantsay ?

24/10/2019

Tanin’i Frantsa eto, mampirehareha antsika ary harenan’i Frantsa, hoy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron omaly tany amin’ny Iles Glorieuses anisan’ireo iray ao anatin’ny Iles Eparses.

 

 

 

Mazava ny resaka fa dia tsy hamotsotra io nosy kely io ka hanome izany an’i Madagasikara i Frantsa, toa  maty momoka teo ilay resaka hoe : efa natomboka ny fifampiraharahana. Mifanandrify amin’ity fitsidihan’ny filoha Frantsay aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity dia lasa niantsinanana any Rosia ny filoha Malagasy Andry Rajoelina …izy izay tsapa sy hita tamin’ny sary fa tena sahiran-tsaina tokoa noho ireo olana maventy atrehan’ny firenena amin’izao fotoana. "Ici c'est la France, notre fierté, notre richesse", hoy i Emmanuel Macron omaly, izany hoe nambarany fa naman’ny any Frantsa ihany ny ao, reharehany, ary harenany. Tsy arakaraka ny tenin’ny filoha Malagasy ny volana mey tany Frantsa sy ny fanamboaramboaran-dresaka ara-diplomatika nataon’ny Frantsay io tenin’i Macron io.

 

SOLIKA SY DELESTAZY

Mahita ny zava-misy eny amin’ny toby fivarotan-tsolika ny olona dia lasa velon’ahiahy hoe ary mba manao ahoana ny solika ampiasain’ny Jirama hanodinana ireo milina mpamokatra herinaratra amin’ny ireo « central thermique » maro be manerana ny nosy ? Raha ny fantatra mantsy dia mbola ny famatsian-tsolika mahazatra no iainan’ny jirama amin’izao fotoana satria raha hiroso amin’ilay hoe fanafarana solika mivantana tsy maintsy atao ny tolo-bidy iraisam-pirenena, mandeha ny fisafidianana ny antontan-taratasy, izay vao fantatra ny orinasa nahazo ny tsena, izay vao atao ny kaomandy, izany hoe mety mbola am-bolana fa tsy ho vita ao anatin 2 na 3 herinandro. Ireny niaraha-nahita omaly ireny ny delestazy mahery vaika naharitra ora maromaro. Raha ny tsilian-tsofina re, ankoatr’ilay fihaonana an-tampony eo amin’i Afrika sy Rosia dia hikaroka solika no anisan’ny tena anton-dian’i Andry Rajoelina any Rosia… Efa tena miha ratsy mantsy ny fifandraisan’ny fanjakana amin’ireo kaompania vahiny lehibe misahana ny fanafarana sy ny fanaparitahana ny solika eto Madagasikara, raha araka ny resaka re. Matanjaka izy ireo, akaikin’ny Frantsay mba tsy ilazana hoe tena mahazo avara-patana amin’i Lafrantsa ary tsy hanaiky mora foana ny ho very tombontsoa. Ny olon-tsotra sy ny mpanjifa moa tsy dia miditra amin’ny asa marika lava be sy ny ambadika politika fa famatsiana solika araka ny tokony ho izy mba hahafahana miasa sy mivezivezy no ilainy dia izay ihany. Tena saro-pady ny solika sy ny angovo (jirama) kanefa ireo zavatra roa ireo mihitsy izao no tojo olana goavana ankehitriny.Fantatra fa mikaroka vahaolana ny mpitondra fanjakana, fa mandra-piandry izany dia ahoana ny fandehany ? Hilahatra solika sy hitanitanina andro aman’alina eto ve ?

TSY VOAFEHY

Mahatsapa ny mpandinika politika sy fiarahamonina fa maro ny zavatra tsy voafehin’ny fanjakana intsony ankehitriny toy ny vidim-piainana, fandriampahalemana, fitoniana politika,... Ho avy koa anefa ny fandinihana ny tetibolam-panjakana 2020, ary hifarana afaka 2 volana sy tapany ny taona 2019. Miditra volana janoary sy febroary dia efa tonga indray ny maitso ahitra ary ho mafimafy ny vidim-piainana. Midika izany fa tena ho sahirana izao fitondrana Mapar IRD izao raha tsy mahita vahaolana ao anatin’ny 2 volana. Ho hita any amin’ity dia any Rosia ity ve izany ary inona no mety ho takalony ? Sa tsy maintsy hilefitra indray ny fitondram-panjakana ka hiverina hiresaka an-databatra indray amin’ireo kaompanian-tsolika lehibe eto an-toerana izay hita ho efa manomboka manenjana ankehitriny ?

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana