Dans la mme rubrique

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana faobe Voambolana diso

13/11/2019

Tsy misy ny fitsarana faobe na « audience forraine », hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara, Clément Jaona.

Fitsarana faobe Voambolana diso

Hamaky ny tohiny...

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

12/11/2019

Izy tenany no nampahafantatra ahy fa voaroaka izy ary tamin’ny alalan’ny “compte fake” fa hatreto tsy mbola nisy fanambarana ofisialy avy amin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM),

Clément Jaona Hiady ho an’i Faniry Ernaivo ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

12/11/2019

Nirarakopana ny fanesorana tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa Jirama omaly.

Savorovoro ao amin’ny JIRAMA Tale maromaro nesorina

Hamaky ny tohiny...

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

12/11/2019

Nankalazaina tetsy amin’ny Tahala Rarihasina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Siansa.

Aretin’ny voasarin’Ambohijafy Nahitan’ny VSM fanafana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Misitri-belona ny minisitry ny solika Faizin-dRajoelina Antananarivo… Mbola nihamafy ny fijalian’ny olo

24/10/2019

na tamin’ny fitadiavana solika omaly, indrindra teto Antananarivo Renivohitra.

 

Efa ny faran’ny herinandro teo no nanombohan’io, saingy tsy misy vahaolana mafonja. Ny filoham-pirenena lasa any Rosia miatrika ny fivoriana tampony Rosia-Afrika milamindamin-tsaina, ary azo antoka ny fireharehana toy ny mahazatra amin’ny filazana ho mitady ny soa ho an’ny firenena. Tsy te hahalala izay olam-bahoaka any, eny fa na eto an-tanindrazana aza, dia ny fanaovana serasera momba ny am-pitetezam-paritra no tena atao. Toa famaizana sy fampijaliana vahoaka no miseho satria mangina tanteraka toa tsy miraharaha firy an’io toe-javatra io ny fanjakana, fa misitri-belona daholo ireo tompon’andraikitra. Raha ny zava-nisy omaly, vao mainka ny maro tamin’ireo tobin-tsolika no namefy tamin’ny alalan’ny tady miloko mena sy fotsy mihitsy nanehoana fa tena tsy misy solika hamidy intsony. Nisy ireo tobin-tsolika efa tany amin’ny 11ora vao tonga ny fiara mpamatsy. Mangina tanteraka tsy ahenoam-peo na ny minisitry ny angovo Atoa Vonjy Andriamanga sy ny akoran’afo na ny Tale jeneralin’ny ofisim-pirenena momba ny akoran’afo Laurent Rajaonarivelo. Nambara tany am-boalohany fa tsaho niely momba ny tsy fisian’ny solika ka nisy ny mpanjifa naka solika betsaka no nahatonga izao zava-miseho izao. Tany Ambatondrazaka, ohatra, dia nisy ny serarasera natao ny 22 oktobra lasa teo fa misy ny fahataran’ny solika, ka laharam-pahamehana aloha ireo hopitaly, zandarimaria, kaomisaria, manampahefana, sampan-draharaham-panjakana,… Tao anatin’ny roa andro teto Antananarivo dia efa noferana ny solika azon’ny olona nojifaina ka 20 000Ar ho an’ny moto ary 60 000Ar ho an’ny fiara, saingy ny teo ihany no teo. Misitri-belona ny tompon’andraikitra ara-panjakana ary tsy misy ny serasera mazava sy ny toromarika ho an’ny vahoaka, fa dia mipepopepo etsy sy eroa hatrany. Izay toerana aleha saika tsy nahitana firy intsony omaly. Manomboka tezitra sy miaka-pofona kosa ny vahoaka. Andrasana izay hiseho satria nambara fa ho tonga anio ao Toamasina ny sambo lehibe na ny Tanker mitondra ny solika hampiasain’i Madagasikara. 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana