Dans la mme rubrique

Politika Hijoro ho mpanohitra ny HVM

11/11/2019

« Antoko velona, miaina ary vonona ny hisehatra amin’ny fiainam-pirenena ny antoko HVM ».

Politika Hijoro ho mpanohitra ny HVM

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina « Halaviro ny herisetra sy fampihorohoroana ary fifanenjehana »

11/11/2019

Tsy tonga nanotrona ny zaikaben’ny antoko HVM, ny sabotsy lasa teo, ny filoham-boninahitra ity antoko ity dia ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, saingy nitondra hafatra manoloana ny fiainam-pirenena.

Hery Rajaonarimampianina « Halaviro ny herisetra sy fampihorohoroana ary fifanenjehana »

Hamaky ny tohiny...

Jimmy ho ben’ny tanànan’Alasora Tsy handiso fanantenana ny vahoaka, hoy Ravalo

11/11/2019

Hanohana amin’ny fampandrosoana an’Alasora miaraka amin’ny kandida Jimmy andriantsoa i Marc Ravalomanana. Tonga teny amin’ny Kaominina Alasora,

Jimmy ho ben’ny tanànan’Alasora Tsy handiso fanantenana ny vahoaka, hoy Ravalo

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro Avy amin’ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka

11/11/2019

Na tamin’ny adihevitra natao tetsy amin’ny lapan’ny tanàna na amin’ny fitsidihana maro be ataony dia nasehon’ny kandidan’ny TIM Rina Randriamasinoro, fa avy amin’ny vahoaka tokoa izy ary mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka.

Rina Randriamasinoro Avy amin’ny vahoaka ary miasa ho an’ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Tanà-masoandro Ireo sefo fokontany no ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka ?

11/11/2019

Araka ny taratasy lah. 453/MAHTP/SG/DGSF/DDPF/SRD/CIRDOMA avy amin'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, tamin'ny 05 novambra 2019 lasa teo,

Tetikasa Tanà-masoandro Ireo sefo fokontany no ampiasaina handresy lahatra ny vahoaka ?

Hamaky ny tohiny...

Rina Randriamasinoro “Miara-mientana hanatsara ny fiainantsika isika”

08/11/2019

Manohy ny fampielezan-keviny ny kandida Rina Randriamasinoro atolotry ny TIM ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohtra ka toerana maro teny Ambohimanarina (Boriborintany faha 6) no notsidihany omaly.

Rina Randriamasinoro “Miara-mientana hanatsara ny fiainantsika isika”

Hamaky ny tohiny...

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

08/11/2019

Ao anatiny tsara amin’ny fampahafantarana ny kandida izay tohanany amin’ny hazakazaka ahazoana ny lapan’ny

Fanoherana hala-bato Manana paikady ny Jeune TIM

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana ny firenena Miha mitoka-monina Rajoelina

22/10/2019

Raha atao ny asa marika tsotsotra dia miiba ny asa vitan’ny fitondram-panjakana nahazo fahefana ny janoary 2019 hatreto aloha. Olana no betsaka, mitarazoka ny fipoiran’ny vahaolana fa tsy arakarak’ilay hoe mandeha haingana be na “ TGV”.

 

 Herisetra sy tsy fandriampahalemana mbola mandeha ihany, lasa tsy voafehy ireo miaramila nalefa mampandry tany amin’ny alalan’ny ZRPS… Mitombo indray ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ny miaramila. Ny vidim-piainana miakatra, olana tsy mety voavaha ny famatsiana rano sy jiro ary efa manomboka misy akony amin’ny famokaran’ny orinasa sasany io. Ny tontolon’ny fampianarana ireny efa niaraha-nahita ireny ny vokatra ratsy tamin’ny BEPC sy ny kitoatoa nanaovana ny bakalorea.  Lafiny sosialy tsy misy fitoniana : hita ho velon’ahiahy ny olona any anaty fiarahamonina, manahy ny ampitso. Tena tsy ampy ny vola am-pelatanana. Tsy nisy fanaraha-maso ny fampiharana ilay karama farany ambany 200 000 ariary. Iza no mampihatra ? Iza no tsy mampihatra dia ahoana no atao izany ? Tsy takona afenina intsony ny fisavoritahana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ary mibaribary fa misy olana ny firaisankinan’ny governemanta. Toa samy maka ho azy izany. Tsy hita taratra ny fandrindran’asa fa famonoan’afo etsy sy eroa no tena betsaka. Ny filoham-pirenena moa dia mbola manohy mampanantena ihany hatramin’izao, tahaka ireny anaty propagandy ireny. Hita ho tena manezakezaka ingahy filoha, saingy maivana dia maivana aloha ny vokatra hatreto. Maro ny mpandinika politika no mahita fa miha mitoka-monina ny filoha Rajoelina. Ny praiminisitra Ntsay mangina tanteraka, moana tahaka ny trondro, ny filohan’ny antenimieran-doholona Rivo Rakotovao efa tsy dia tsara resaka aminy ; ny filohan’ny antenimieram-pirenena tsy azo atao hoe MAPAR IRD 100% intsony. Ireo minisitra isan-tsokajiny toa samy manana ny ataony sy ny filazany. Tana-masoandro, fanamboaran-dalana manerana an’i Madagasikara, Fanarenana ny Rovan’Antananarivo, trano mora. Asa goavambe avokoa izany fa ho vita marina ve ? Ahoana ny famatsiam-bola satria ny hita aloha dia tsy misy famatsiam-bola goavambe azo hatreto. Efa hiroso amin’ny fandinihana sy fandaniana ny tetibola 2020 anefa ny parlemanta. Hamboly vola hanaovana ireo tetikasa goavambe ireo, sa hindrana any amin’ireo sehatra tsy miankina dia inona no takalony ? Ho sahirana i Andry Rajoelina raha tsy mahay mamindra sy mahay mifampiraharaha amin’ny rehetra satria tsy misy herintaona nitondrana akory dia hita efa tena mihena be ny heriny.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana