Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “ Lazao fa mpandainga aho fa tsy olana…”

30/09/2020

Nafana ny resaka nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny mpanolotsain’ny kaominina Antananarivo natrehin’ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina omaly.

Naina Andriantsitohaina “ Lazao fa mpandainga aho fa tsy olana…”

Hamaky ny tohiny...

Avaradrano Vita ny lalana amina kaominina maro

30/09/2020

Nanao fitsidihana ara-teknika tany amin'ireo asa rehetra nataon` ny ekipan'ny Faritra Analamanga omaly tany amin` ny distrikan` Avaradrano.

Avaradrano Vita ny lalana amina kaominina maro

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AAA Efa nihoarana lavitra ilay fanakatonana 15 andro

30/09/2020

40 andro mahery izay no nanombohan’ny fanakatonana ny orinasa AAA niainga tetsy Behoririka ny 19 aogositra, nitohy tany Toamasina ny 27 aogositra, Andranomanelatra ny 01 septambra, ary tany Fianarantsoa ny 02 septambra.

Orinasa AAA Efa nihoarana lavitra ilay fanakatonana 15 andro

Hamaky ny tohiny...

Régis Ramamonjisoa “Efa te hitroatra ny vahoaka”

30/09/2020

Matoa ny zava-misy ankehitriny miha mafana dia misy mampirehitra, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Mahajanga, Régis Ramamonjisoa.

Régis Ramamonjisoa “Efa te hitroatra ny vahoaka”

Hamaky ny tohiny...

Demokrasia sy ny fampandrosoana Mikatri-doha ireo Parlemantera SADC

30/09/2020

Mandray anjara amin` ny « Forum parlementaire de la SADC » ny solombavambahoakan’i Madagasikara.

Demokrasia sy ny fampandrosoana Mikatri-doha ireo Parlemantera SADC

Hamaky ny tohiny...

VMMF sy raharaha “Ecran plat” “Aoka tsy ho vary mangatsiaka ny fitorianay ”

30/09/2020

Iray volana izay no nametrahanay fitoriana teo anivon’ny Fitsarana avo na HCJ sy ny sampan-draharaha misahana ny kolikoly na PAC mikasika ny raharaha “écran plat” teo anivon’ny CCO, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Vovonana Malagasy manarina firenena na VMMF, tetsy Mahamasina omaly.

VMMF sy raharaha “Ecran plat” “Aoka tsy ho vary mangatsiaka ny fitorianay ”

Hamaky ny tohiny...

Politika Rahoviana vao hisy mpanohitra tena ofisialy ?

30/09/2020

Mbola tsy nisy ny mpanohitra ofisialy raha ny tantaran`i Madagasikara no zohina. Raha tamin`ny andron` ny Repoblika faharoa, nampandany ny lalàmpanorenana vaovao tamin’ny desambra 1975 ny filoha Ratsiraka.

Politika Rahoviana vao hisy mpanohitra tena ofisialy ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tolo-dalàna momba ny fanoherana “Hifikirana eo amin’ny fahefana fotsiny…”

22/10/2019

“Mitaky hatrany ny didy fampiharana ny sata mifehy ny fanoherana ny antoko Tiako i Madagasikara.

 

 

 Lalàna izay tsy mbola nampiharina teto amin’ ny firenena nefa eritreretina hitondrana fanovana ka tsy mifanaraka amin’ny deontolojia sy etika politika izany”, hoy i Fetra Ralambozafimbololona, solombavambahoakan’i Madagasikara. Nohitsiany fa misy kajy io fanovana io ary olona no tiana hosakanana. Fantatra ny vontoatin’io sata mifehy ny fanoherana io tany am-boalohany ary resy lahatra ireo depiote TIM kanefa misy kajy ao ambadika ary ny mampalahelo dia lasa fandrebirebena no misy eto. Notsiahiviny fa raha nandalo teo anivon’ny Antenimierandoholona io volavolan-dalàna io dia nangataka fotoana io andrimpanjakana io satria terena hatao amboletra ary tapahina haingana nefa misy ny lesoka. Miombon-kevitra amin’ireo loholona ny tenany satria mila fotoana ny fandinihana tolo-dalàna. Toherinay amin’ny herinay rehetra ny fandaniana io sata mifehy ny fanoherana io na dia vitsy an’isa izahay eto anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany izy. Betsaka ny andininy nofoanan’ireo namolavola ilay tolo-dalàna, hany ka niova hatrany amin’ny votoatiny. Antony, nieritreritra ireo olona ireo fa ho eo amin’ny toeran’ny mpanohitra rehefa ho avy ny fifidianana filoham-pirenena tamin’izao saingy izy izao no mitondra. Tsy misy hifandraisana amin’ny lalàna momba ny toeran’ny mpanohitra eto amin’ny firenena io tolo-dalàna io. Tsy manana eritreritra hampandroso izy ireo fa hifikitra eo amin’ny fahefana  fotsiny  ka tsy ekena izany, hoy hatrany ny fanazavana. Ny vahoaka eny ifotony dia milentika ao anaty fahantrana ka tsy manam- potoana ny handinihana ny zava-misy. Nilaza hatrany ity depiote TIM ity fa hiady amin’ny fampiharana io didim-panjakana io satria manana ny toerany ny mpanohitra ary tsy hanao fanoherana bontolo.

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana