Dans la mme rubrique

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

18/11/2019

Tonga eto amintsika ireo delegasionina roa avy amin`ny Vondrona Afrikanina, ny komitin`ny Vondrona Afrikanina misahana ny kolikoly (CCUAC) sy ny fikambanana ireo rafitra miady amin`ny kolikoly eto Afrika (AAACA),

Ady amin`ny kolikoly Hotsirihana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanamboarana ny R44 Tapaka noho ny hadalan’ny fanjakana?

22/10/2019

Nalaza omaly ny resaka fa niala sy nanatsahatra ny asa fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-44 ny orinasa nahazo ny tsenan’asa, ary efa notaomina niala tany avokoa ny fitaovana na ireo “engins” hampiasain’ilay orinasa sinoa nahazo ny tsenan’asa.

 

 

Nisy tokoa ny sary naneho  izany niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, toa eny amin’ny làlam-pirenena faharoa ny fahitana azy. Tsy mbola nisy rahateo ny fanazavana mafonja avy amin’ny mpitondra fanjakana nanamarina na nandiso io vaovao io, fa raha ny fanadihadiana dia toa niato na tapaka ny famatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ny tetikasa. Raha ny nambaran’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny filoha izay tonga tany Ambatondrazaka tamin’ny herinandro ambony mantsy dia nilaza fa ny fanjakana no mamatsy vola ny tetikasa, ary ny RN 44 manontolo hatrany miala aty Moramanga hatrany Ambatondrazaka no hatao. Ny dosia momba ny tsenan’asam-panjakana hita kosa dia manomboka eo Marovoay hatreo Amboasary ihany no hatao amin’ny alalan’ny fandrakofana tara na “butumage”, ka ny orinasa sinoa China Geo-Engineering Corporation (CGC) no nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny sarany 65 298 406 093,95 Ariary no saran’izany. Ny Banky iraisam-pirenena  no mamatsy vola ny asa, fa tsy ny fanjakana raha ny voarakitra ao anatin’ny tsenan’asa, ka ao anatin’ny 18 ny fanatanterahana ny asa any amin’ny RN44.  Io malaza ho tapaka io anefa ny fifanarahana noho ny tsy fananan’ny fanjakana fahitsiana, ka andrasana ny fanazavana momba io toe-javatra io hoe tena mitombina sa tsia? Vao tsy ela izay no naharay taratasy avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny minisitry ny fanajariana ny tany noho ny fanovan’izy ireo ny anarana sy ny sata mifehy ny FER Fonds d’Entretien Routier lasa “Fonds Routier” ary ny « Autorité Routière de Madagascar », lasa « Agence Routière de Madagascar », kanefa mbola ao anatin’ny tetikasa mandeha. Hafahafa ny toe-draharaha ka andrasana ny fanazavana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana