Dans la męme rubrique

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

11/11/2019

“Voamarina fa taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita tany amin’ny torapasik’i Mahajanga, hoy

Torapasika Mahajanga Taovam-biby fa tsy an’olombelona ilay hita

Hamaky ny tohiny...

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

11/11/2019

Diso ny filazana teo amin’ny tambajotran-tserasera fa teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana no azon’ireo mpamaly faty ny lehilahy iray nandratra ka nahatafy ny naman’izy ireo.

Vono olona in-telo nisesy tao Antsohihy “Efa tao am-ponja vao navoakan’ny olona ilay jiolahy”

Hamaky ny tohiny...

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

08/11/2019

Akaiky an’i Dadah Mahaleo izay natao veloma farany tao amin’ny katedraly Analakely no nizara ny tsiambaratelony.

Tarika Mahaleo Ireo tsiambaratelo, tora-po sy hafatra…

Hamaky ny tohiny...

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

08/11/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly atoandro teo amin’ny tetezan’Ankadilalana, anelanelan’i Behenjy sy Ambatolampy.

Fiara nipitika avy eny ambony tetezana Roa maty, naratra avokoa ireo mpandeha

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

07/11/2019

Efa nigadona an-tanindrazana ny talata teo ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray.

Minisitry ny atitany Mbola tsaboina eny Ilafy

Hamaky ny tohiny...

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

07/11/2019

Fiara iray no lasa lavenona izay nanamorona ny fefin’ny lisea Andohalo izay nirehitra,

Lisea Andohalo Nidedaka ny afo, Fiara iray kila forehitra

Hamaky ny tohiny...

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

07/11/2019

Nahabe resaka teo amin'ny Facebook ny fanazavan'ny maro fa raha namono tena ilay lehilahy hita faty ny 2 novambra teo, tao amin'ny Sisaony Park, Ifarihy,

Faty hita teny Ambatofotsy Namono tena noho ny olana arak'asa ilay miaramila

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Asan-jiolahy eto Iarivo 6 hetsy no vidin’ny basy iray

21/10/2019

Tra-tehaka ny mpivarotra basy poleta sy bala efatra izay mbola anaty fonony.

 

 

 Andrasana noho izany ny famotorana sy ny fanadihadiana lalina eo anivon’ny mpitandro filaminana mahakasika ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Ao ireo mpitandro filaminana voasoketa amin’ny varotra fitaovam-piadiana toy itony, tsy azo lavina koa anefa ny trafikana basy tanterahin’ireo tambajotran’olon-dratsy. Raha iverenana ny tranga, lehilahy iray 27 taona izay mipetraka eny Anosibe ity voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP4 Isotry teny amin’ny faritra Andavamamba ny sabotsy lasa teo ity, tamin’ny 3 ora tolakandro resaka famarotana basy PA. Basy poleta miaraka amin’ny “boite chargeur” sy bala 4 no notombanana 1.000.000 Ariary izay raikitra ho 600.000 Ariary ny vidiny. Vokatry ny fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisy fa misy lehilahy iray mivarotra basy PA eny amin’iny faritra iadidiany iny. Natao avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika ka io 19 oktobra io teny amin’ny Shell Andavamamba no tra-tehaka teo am-pivarotana mihitsy io lehilahy io.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana