Dans la męme rubrique

Delegasionin’ny TIM Tonga nankahery ny fianakavian’i Latimer Rangers

30/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany ny sabotsy lasa teo teto Antananarivo Rtoa Maho Anjinee Jeannette Vivyan,

Delegasionin’ny TIM Tonga nankahery ny fianakavian’i Latimer Rangers

Hamaky ny tohiny...

Delegasionin’ny TIM Tonga nankahery ny fianakavian’i Latimer Rangers

30/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany ny sabotsy lasa teo teto Antananarivo Rtoa Maho Anjinee Jeannette Vivyan,

Delegasionin’ny TIM Tonga nankahery ny fianakavian’i Latimer Rangers

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Efa notaritaritin’ny alika ilay fatin-jazakely

30/09/2020

Fatin-jazakely iray efa tsy nisy tapany ambany intsony no hitan’ny fokonolona nentin’ny alika omaly maraina tao amin’ny fokontany Mahafaly Vatofotsy Antsirabe, Faritra Vakinankaratra.

Antsirabe Efa notaritaritin’ny alika ilay fatin-jazakely

Hamaky ny tohiny...

Ampanihy Amperin'asa ny sefo distrika vaovao

30/09/2020

Tafapetraka amin`ny toerany ny lehiben'ny Distrikan'Ampanihy vaovao, Jovin Thomas Andriamaro.

Ampanihy Amperin'asa ny sefo distrika vaovao

Hamaky ny tohiny...

Fidiran’ny vahiny any Nosy Be Nametraka fepetra maro ny fanjakana

30/09/2020

Nampatsiahy ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny ministeran’ny fitaterana sy ny fizahantany miaraka amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny fa misy ireo fepetra tsy maintsy arahan’ireo vahiny miasa amin’ny sehatry ny hotely ka ho avy any Nosy Be.

Fidiran’ny vahiny any Nosy Be Nametraka fepetra maro ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Ambilobe Nosamborina ilay mpanely tsaho

30/09/2020

Lehilahy iray mpanely vaovao tsy marina sy manakorontana saim-bahoaka any amin’iny distrikan’Ambilobe iny no nosamborin’ny polisy misahana ny cybercriminalité any an-toerana.

Ambilobe Nosamborina ilay mpanely tsaho

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinan-tany tao Mahajanga Olona miisa 3 no naiditra am-ponja

30/09/2020

Tompon’andraikitry ny fananan-tany tao Marovoay teo aloha 1, lefitry ny lehiben’ny faritra ao an-toerana 1 ary mpanofa ilay toerana 1 no indray nadoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fanapahan’ny tribonaly misahana ny ady

Fanodinkodinan-tany tao Mahajanga Olona miisa 3 no naiditra am-ponja

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tarika Mahaleo Nodimandry i Fafah

21/10/2019

Nodimandry omaly alahady 20 oktobra tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha teo amin’ny faha-65 taonany Rajaonarison Famatanantsoa

 

na Fafah no nahafantaran’ny maro azy tao amin’ny Tarika Mahaleo. « Efa narary elaela ihany saingy efa nihatsara izy. Izany no nampazoto azy ary nahafaly azy hoe mba hiaraka izahay na dia hira vitsy ihany no hataony. Izany no nahatonga ny hetsika faradoboka natao tany Antsirabe sy teto Antananarivo (13 oktobra teny Antsahamanitra). Noraisina daholo ny fepetra rehetra mba tsy hamizana azy na ny teo amin'ny fitaterana na ny trano nipetrahany na ny fomba iakarany an-tsehatra... Na ny mpitsabo mpanara-maso aza teo hatrany ; toy izany koa ny dokotera vadiny. Saingy ny fikasana an'olombelona ihany fa Andriamanitra no mahalala ny lalana tiany hitondrana antsika. Tsy afaka niakatra an-tsehatra izy tamin'ny ora farany. Andro vitsy taty aoriana voatery naiditra hopitaly(…) Isaorana ny Tompo ny nanomezany azy antsika nandritry ny taona maro. Misaotra an'i FAFAH amin'ny soa, ny tsara ary ny mamy navelany ho an'ny ankohonany, ho anay mpanakanto rehetra namany, ho an'ny mpankafy rehetra, ho an'ny tanindrazana”, hoy ny ampahany tamin’ny tenin’i Dadah ao anatin’ny Tarika Mahaleo noho izao fahalasanany izao. Eny amin'ny trano fonenany eny Andohalo no handrasana ny nofo mangatsikan'i Fafah Mahaleo. Ny alarobia izao no hatao ny fandevenana. Mety hisy, hoy i Bekoto, ny fanaovam-beloma farany azy ao amin'ny Lapan'ny kolontsaina Mahamasina fa mbola misy ny rindran-damina mikasika izany. Andrarezin’ny kanto sy ny mozika Malagasy i Fafah sy ny tarika Mahaleo, izay efa ho 50 taona tsy lefy laza sy nanamarika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina Malagasy ny mozikan-dry zalahy ireto, izay efa nanomboka tany amin’ny taona 1972. Tsy voafafa eo amin’ny tantaran’ny kanto sy ny mozika na eto Madagasikara, ary maneran-tany mihitsy. Rafahafahana, Isekely, Ramiaramila, Fahalemena,… dia anisan’ny hira nampiavaka sy hahatsiarovana azy. Efa tao amin'ny Feo gasy, VHF, ary nampiara-peo tamina mpanakanto maro i Fafah. Ny gazety Tia Tanindrazana dia miombona alahelo sy mirary fiononana feno ho an’ny Tarika Mahaleo sy ny fianankavian’i Fafah manontolo.

Toky R/Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana