Dans la mme rubrique

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Sefo fokontany vao notendrena Nandrahona sy nandroaka mpitam-bola

21/10/2019

Alahelo, an-dranomaso, niteraka aretim-po teo amin’ity mpitam-bolan’ny fokontany iray, ao amin’ny boriborintany fahatelo ity, ny fihetsika nataona sefo fokontany iray vao notendrena.

 

Nanaovany vava tsy ambina ary narahiny latsa. Araka ny fanazavana voaray, nanaovan’io sefo fokontany io teny fandrahonana io mpitam-bola io. “Lasa ianao  mivoaka any, fa izaho tsy handray anao ho trésorière intsony ary tsy hiaraka hiasa aminao. Tsy ho tamana eo ianao raha mbola izaho no eto, fa efa miova ny zavatra rehetra izao. Azoko roahina ianao na oviana na oviana ary tsy maintsy miala eto. Mitady ny lohako ianao, ka ataovy ihany”, hoy ny teny fandrahonana nataon’io sefo fokontany io. Niteraka aretim-po ary saika safotra tao amin’ny biraom-pokontany io mpitam-bola io, ny zoma teo, raha ny tatitra voaray hatrany. Efa an-taonany maro ity mpitam-bola ity no niasa tao amin’io fokontany io ary izy no nitazona  ny volam-pokontany izay miditra. Nambarany, fa nahazo baiko tany amin’ny distrika “hono” io sefo fokontany io hoe, “omeo ahy avokoa ny vola rehetra any aminao any”. Tsy nanaiky ny nanome io vola io izy, ka teo no nahatonga ny fandrahonana samy hafa. Niantso ny distrika, sefo fokontany maromaro, ny filohan’ny ATS na “Association Trésorière Sécretaire”, ny mpitam-bola namany, io mpitam-bola voarahona io ary nanamarina ny tenin’ity sefo fokontany ity. Nilaza ireo nantsoina, fa tsy misy an’izany velively, hoy ny fanazavan’izy ireo. Roaka alika no nataon’io sefo fokontany io tamin’ilay mpitam-bola ary niaka-peo izy. Marihana fa vola karama avy amin’ny fokontany 200.000 ariary io notakian’ny sefo fokontany alaina taminy io “indemnities”. Namaly am-pahatsorana ilay mpitam-bola, fa “izaho tsy  mbola nanao ratsy anareo, fa maninona izaho no atao an’izao?”, hoy izy naneho ny alahelony. Marihana, fa efa nidongy tanin’olona hamboleny “hono” io sefo fokontany io ary nanao fanararaom-pahefana, fony izy vao nandray ny toerana maha sefo fokontany azy ary efa nitory azy koa ny tompon’io tany notakiana sy notadiaviny nalaina io, hoy ilay mpiambina ny tanàna. Tonga nandravona ny raharaha tao amin’io fokontany io ny solontenan’ny delege sy ny “tutelle”.

Sitraka r.  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana