Dans la mme rubrique

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Boriborintany faharoa Mahavita « bulettin de naissance » 500 isan’andro

21/10/2019

Mahavita « bulettin de naissance » 400 ka hatramin’ny 500 isa isan’andro ny eo anivon’ny boriborintany faharoa.

Izany dia mba hitsinjovana ireo mponina sy ny ray aman-dreny, mba tsy hilahatra be intsony. Eo koa ny fitsinjovana ireo mpianatra, satria ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra isika amin’izao. Nambaran’Atoa Randrianalisoa Rantolalaina Irvah, lefitra faharoa ny delegen’ny boriborintany faharoa, fa miezaka ny eo anivon’ny boriborintany amin’ny fanafainganana ny asa na ny “service” ao anatiny. Tanjona, ny hanatsara ny “service” anatiny ary hanala ny fahasahiranan’ny mponina. Nambaran’ity lefitra faharoa ity hatrany fa miezaka ny manatsara ny ao anatiny boriborintany izy ireo. Efa vita ny fampihaingoana na ny “décoration” sy ny fametrahana ny fanamafisam-peo ao amin’ny efitrano fanaovana mariazy na “salle de mariage”, hoy izy.  Teo koa ny fanadiovana ny lakan-drano 3, dia ny tao Manakambahiny izay mirefy 30 metatra, Andohamandry 700 metatra ary Ambohipotsy. Antony, hoy ny fanazavana, ny fanalefahana sy ialana amin’ny fiavian’ny orana, ka nisy ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano. An-kilany, ny fanamboarana ny lalan-tany izay natao rarivato izay mirefy 30 metatra, toy ny tao Volosarika izay efa vita izy io. Fanamboarana ny lalankely eny Antanimora izay mirefy 40 metatra ary hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa. Lalan-tany eny Ankerakera La Haute Ville. Fanadiovana ny lalankely ao anatin’ny fokontany 24. Efa vita koa ny lalana eny Tsiadana izay nasiana zaridaina ary azo tsidihana. Mahatratra 200 metatra ireo lalankely ireo, izay lalan-tany avokoa. Mikasika ny tsy fandriampahalemana, dia halabotry sy ny vaky trano no betsaka. Miara-miasa amin’ny fokontany sy ny polisin’ny boriborintany faharoa, ny boriborintany. Ny olana amin’ny famatsian-drano, indrindra fa ny “pression”- ana rano no mbola olana ho an’ity boriborintany ity. 193 ny borna fontaine ary ny 90 % -n’ireo no misedra izay olana izay. Ny jiro kosa tapaka ora iray dia miverina. Amin’ny ankapobeny dia miasa ho an’ny vahoaka ny boriborintany faharoa, izay manana ny teny filamatra hoe “vahoaka foana no voalohany”. Sitraka r.    

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana