Dans la męme rubrique

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

11/11/2019

Noroahin’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tsy ho mpitsara intsony ny Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Fanirisoa Ernaivo ny 7 novambra teo.

Faniry Ernaivo Noroahina tsy ho mpitsara intsony

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

11/11/2019

Nanatontosa fotoam-pivavahana teo amin’ny kianjan’Anelitsara Ambohitrimanjaka ny sabotsy teo ireo mponin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka mba hangatahana ny tolo-kevitra avy amin’Andriamanitra hahafahan’izy ireo mijery ny tokony hanohizana ny tolona, raha ny fanazavan’ireo mpitari-tolona.

Raharaha Ambohitrimanjaka Iray no namoy ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

08/11/2019

Miisa 10 ny asa atao eny amin’ny tanimbary farafahakeliny dia ny miasa taninketsa, mamafy ketsa, miavo-ketsa, miasa tanimbary, mihosy, manetsa, miava vary, mijinja,

Tanimbary eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina Miteraka asa 640 000 ao anatin’ny taona iray

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faharoa Mahavita kopia 300 isan’andro

05/11/2019

Ny alarobia lasa teo, dia kopia faobe manodidina ny 250 ka hatramin’ny 300 no vita iray andro ho fanamaivanana ireo mponina sy ny ray aman-dreny,

Boriborintany faharoa Mahavita kopia 300 isan’andro

Hamaky ny tohiny...

Fandehanana amin’ny fiaramanidina Mila fahamailoana ny fitondrana entan’olona

05/11/2019

Mila fahamailoana sy fitandremana ny entana hoentina rehefa handeha fiaramanidina eto Madagasikara. Maro ny olona velon-taraina fa efa tratra am-pitaka. Tahaka izao no fitrangany :

Fandehanana amin’ny fiaramanidina Mila fahamailoana ny fitondrana entan’olona

Hamaky ny tohiny...

Fandehanana amin’ny fiaramanidina Mila fahamailoana ny fitondrana entan’olona

05/11/2019

Mila fahamailoana sy fitandremana ny entana hoentina rehefa handeha fiaramanidina eto Madagasikara. Maro ny olona velon-taraina fa efa tratra am-pitaka. Tahaka izao no fitrangany :

Fandehanana amin’ny fiaramanidina Mila fahamailoana ny fitondrana entan’olona

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny ranomasimbe indianina Manohana hatrany ny Amerikanina

05/11/2019

Mampiantrano ny « forum sur la sécurité maritime » i Madagasikara nanasana ireo firenena manodidina toy ny Nosy Maorisy, Seychelles,

Fiarovana ny ranomasimbe indianina Manohana hatrany ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Raharaha Ambohitrimanjaka Manondrana ny fanjakana

21/10/2019

Diso daty ny taratasim-panjakana, toa namboamboarina haingana mba hilazana fa efa ela ny fanjakana no nampahafantatra ny hisian’ny tetikasa,

 

 

ka hisian’ny famotopotorana ara-pitondran-draharaha ny maha mety na tsia ny andraisana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny alalan’ny fanesorana amin’ny tompony noho ny fanasoavam-bahoaka ny fizakana trano na tany noho ny fananganana ny Tana-masoandro. Diso ny daty ery ambany, izay ambara fa nivoaka ny 14 jona 2018, ary nosoniavin’ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo izay tsy minisitra velively tamin’ny taona 2018. Tsotra ny navalin’ny minisitry ny serasera tao amin’ny tambajotra facebook manoloana an’io fa “4 jona ny arrêté, manaraka azy ny fampahafantarana 14 jona. Mazava ho azy fa ny mpametraka daty no diso”. Tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina dia « malhonnêteté intelectuelle» no fiantsony ny tahaka ireny. Na ny tamin’ny teny Malagasy na ny tamin’ny teny Frantsay, dia samy daty diso avokoa. Manana ny sekretera manokany izy fa na izany aza ny minisitra mendrika dia tsy maintsy mamaky mialoha ny hanaovany sonia. Tsy lavitry ny fametrahana ny sonia rahateo ny daty. Tena tsy azo ekena eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana io, ary azo henjehina araka ny lalàna, raha ny fanehoan-kevitra nataon-dRajaofera Eugène, izay administrateur civil. Niparitaka ihany koa avy eo ny fanamarihana nataon’ny ben’ny tanànan’i Fiombonana eny Atsimondrano Randriamanantena Gabriel, izay nanao fanamarihana fa nisy tokoa peta-drindrina momba ny fakana ny hevitry ny vahoaka mahakasika ny tetikasa Tana-masoandro nanomboka ny 17 jona-17 jolay, nilaza fa 38 ny olona naneho hevitra momba izany. Tsy fantatra mazava na nanaiky ireo na nandà ary 38 monja ve hahasolotena ny vahoaka tompon’ny tany an’arivony ha ka mahatonga ny fanjakana hanao amboletra ? Manomboka tonga eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity resaka ity satria ny fahitalavitra TV5 monde, ohatra, dia efa namoaka fa tena mafy ny fanoherana azy io (Ce projet rencontre une forte opposition), ka mety ho tonga any Tribonaly Iraisam-pirenena (CPI) ity raharaha ity noho izy misy endrika fanitsakitsahana ny zon’olombelona.  Resy ny fanjakana raha jerena amin’ny tsy fanajana ny dingana rehetra tsy maintsy harahina, ary manomboka miharihary ny karazana petatoko samihafa, fa miantehitra amin’ny amboletra. Na ireo olona iraky ny fitondrana handresy lahatra aza indraindray, toa miteniteny foana. Ezahina hampidirana ambadika politika foana, mba hahafaha-manilika ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa. Mavesa-danja kokoa ny porofo hoentin’ny mpandinika sy mpahay lalàna ivelan’ny fanjakana maneho ny tsy fetezan’io tetikasa io hatao eny Ambohitrimanjaka na ara-tsiansa, ara-jeografia, ara-tontolo iainana,… saingy ny an’ny mpitondra dia ambadika politika no asisika !

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana